Any Ivelany

Fampidirana herinaratra any an-tokantrano Efa manao ezaka ny JIRAMA


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Mbola betsaka ireo tokantrano Malagasy mangataka herinaratra amin’ny JIRAMA amin’izao saingy tsy nahazo noho ny tsy fisian’ny kaontera sy ireo karazana tariby mitondra herinaratra.

 

Nanambara ary ny tale jeneralin’ny orinasa Atoa Randriamanana Henry, omaly fa efa manao ezaka goavana izy ireo ankehitriny. Ho an’ireo izay nangataka talohan’ny volana desambra taona 2017 dia nambarany fa hahazo kaontera mandrapahatonga ny faran’ny volana jolay ho avy izao ary ho vita mialoha ny volana desambra taona 2018 ny fametahana ny jirony. Raha ny fantatra dia manana kaontera 60.000 isa isika eto Madagasikara ankehitriny. 25.000 monja anefa ireo mpanjifa efa nisoratra anarana. Hanomboka amin’ny herinandro avy hatrany ny asa ka ekipa miisa 125 no indray  haparitaka manerana ny Nosy hametaka kaontera fotsiny. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA fa tsy maintsy manao « devis » isaky ny « agence » ny mpanjifa teo aloha vao mahazo ary izay tonga aloha  no omena fahafaham-po. Ankehitriny, efa alefa isaky ny fokontany  ny fametahana kaontera mba hahatongavan’ny mazava ao an-tokantrano.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT