Taorian`ny fifindra-monina eo amin`ny firenena Atsimo sy Avaratra, izay tena nirongatra an-taonany maro dia misedra ny krizin`ny mpifindra monina i Italia amin`izao.
Miantso ny Vondrona Eoropeanina ny firenena Italianina mba hanasazy ny Frantsay izay mbola manjanaka ny kaontinanta Afrikanina. Tsikaritra, hoy ny praiministra lefitra, Luigi Di Maio, fa vokatry ny fanjanahana amin`ny endriny hafa ataon`ny firenena sasany ao Afrika no mahatonga izao krizy izao ka i Frantsa no eo amin`ny lohalaharana. Ireo firenena zanatany frantsay teo aloha na koa misy fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra no tena mitsoa-ponenana ary ireo no anisan`ny tena mahantra. Firenena maro ao Eoropa no tsy nijanoana nanjanaka firenena afrikanina am-polony mahery. Ho an`i Lafrantsa manokana, raha tsy nanana ireo firenena voazanaka ireo dia eo amin`ny laharana faha-15 amin`ireo firenena matanjaka ara-toekarena maneran-tany kanefa izao anisan`ny voalohany noho ny fanjanahana an`i Afrika. Ny Vondrona Eoropeanina no mampahantra ny Afrika sy mandroaka ireo mponina ao aminy ary ny toeran`ny Afrikanina dia ao Afrika fa tsy ao amin`ny ranomasina Mediteranenina, hoy Luigi di Maio ny alahady lasa teo. Ny filoha lefitry ny fikankevitry ny minisitra italianina sy mpitantana ny M5S (Mouvement cinq ètoiles) dia miantso ny Vondrona Eoropeanina hametraka sazy ho an`ireo firenena, hoy izy izay mampahantra ny Afrikanina, izay fototry ny fifindra-monina faobe. Araka izany, hisy fepetra parlemantera horaisin`ny M5S mandritra ny herinandro maromaro, izay hitakiana an`ireo governemanta sy Andrim-panjakana eoropeanina ireo sazy ho an`izay firenena tsy mety hiala sy hampahantra an’i Afrika. I Madagasikara dia manan-karena ara-javaboary, amin`ny harena ankibon`ny tany ka tsy mahagaga raha mametraka ny olony mba hahafahana mifehy ny firenena i Lafrantsa. Tena mafy ny zanahan`ny firenena iray hafa. Mety ho very avokoa izay rehetra hananantsika eny fa na dia ny kolontsaina tsy manam-paharoa aza izay tsy hita na aiza na aiza eto amin`ity izao tontolo izao ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.