Any Ivelany

Famonoana valala Hanokanana vola 12 miliara Ar


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Mirefy 300 000ha ny velaran-tany ahiana hianahan’ny andiam-balala amin’ny taona 2022-2023. Ho fiatrehana ny ady amin’ny andiam-balala, vola mitentina 12 miliara Ar

no ilaina haompana amin’izany. Miteraka fahavoazana lehibe eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana mantsy ny firongatry ny andiam-balala. Nisy ny «Atrikasa fanehoana ny drafitr'asa nasionaly ho an'ny ady amin'ny andiam-balala sy ny fanetsehana ireo mpiara-miombon'antoka », notanterahin’ny Minisiteran’ny Fiompiana sy ny fambolena omaly 20 Desambra 2022 tao amin’ny Carlton Anosy. Nambara fa drafitr’asa miala amin’ny nentim-paharazana sy manetsika ny rantsa-mangaika rehetra no navoitra nandritra ny Ady iombonana ny famongorana ny valala miainga amin’ny ezaka eny anivon’ny fokontany sy kaominina, mipaka any amin’ireo distrika sy faritra miaraka amin’ireo teknisianina avy ao amin’ny MINAE sy ny IFVM. Hisy ny fampiasana fitaovana raitra toy ny angidim-by ka sidina manodidina ny 350ora no hatao hoenti-miatrika ny famonoam-balala, ankoatra ny fampiasana fitaovana hafa. Ankehitriny dia Ministera telo no miara mientana amin’ny ady amin’ny valala dia ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana (MID) sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarmariam-pirenena (SEG) amin’ny fampitam-baovao sy ny fanentanana. Tsara ihany koa anefa etsy andaniny ny manamarika, fa andro vitsy izay no nisy ny hetsika nataon’ireo mpiasa amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny famonoana valala noho ny karama volana maromaro tsy azo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT