Any Ivelany

Fametrahana tetezamita any Soudan Nandamoka ny fifampiresahana


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Tsy nisy ny fitohizan’ny fifampiresahana eo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny ALC (Alliance pour la liberté et le changement) any Soudan.

 

 

 

Fifanakalozan-kevitra mikasika ny fitsinjarana ny fitondrana tetezamita mandritra ny telo taona izy io. Iza no hitondra sy hitantana ny fanjakana. Ny ALC dia mitaky ny hisian’ny sivily miisa 8 sy miaramila 3 eo anivon’ny filankevitra ankapobeny mandritra ny tetezamita. Etsy an-kilany, miaramila miisa 7 sy sivily 4 no takian`ireo jeneraly. Marihana fa ny talata lasa teo no nitsahatra ny fifanakalozan-kevitra ary tsy nisy ny marimaritra niraisana. Mbola mitohy hatrany ny fihetsiketsehana ataon’ireo olon-tsotra ary hihamafy satria manangasanga ny fitokonana faobe hataon`ireo orinasa any an-toerana.

Marigny A.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT