Any Ivelany

Famatsiam-bola mampiahiahy Naiditra am-ponja i Sarkozy


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Nampidirina am-ponja vonjimaika nanomboka omaly talata 20 martsa noho ny ahiahy amin’ny fisiana famatsiam-bola avy any Libya nampiasainy nandritra ny fampielezan-keviny ny taona 2007 ny filoha Frantsay teo aloha Atoa Nicolas Sarkozy.

 

 Ny taona 2013 no nisokatra ny fanadihadiana ary maro be ny zavatra nozahan’ny mpanao famotorana tao anatin’izany. Tsara fifandraisana tamin’ny filoha Libyana Mouammar Kadhafi tamin’izany fotoana ingahy Sarkozy ary nifampitondra toy ny mpirahalahy mihitsy ny roa tonta. Nisy tranga vitsivitsy anefa nanomboka nampiahiahy, ka anisan’izany ny fahatrarana vola 1,5 tapitrisa euros tao anaty entana teratany Libaney iray Ziad Takieddine ny taona 2011. Voalaza fa nifandray tamin’ireo olona akaiky ny filoha Sarkozy izy io. Nivoaka indray avy eo ny resaka ny taona 2012 fa hoe namantsy vola hatrany amin’ny 50 tapitrisa euros ny fampielezan-kevitr’i Nicolas Sarkozy tamin’ny 2007 ny filoha Libyana. Nanamafy ny fisian’io famatsiam-bola io tokoa avy eo ny volana mey 2012 ny praiminisitra Lybiana teo aloha  Baghadadi Ali Al-Mahmoudi.Voatonona tao anatin’ny afera ihany koa avy eo Atoa Claude Guéant anisan’ireo olona tena akaiky an’i Sarkozy sy tena atokisany. Niseho masoandro ihany koa avy eo ny volana septambra 2016 ny  boky kely mirakitra ireo vola avy any Libya voalaza fa nomena an’i Nicolas Sarkozy. Nandà hatrany ny fiampangana azy moa ity farany saingy izao izy nampidirina am-ponja vonjimaika izao ny farany. Tsy namelan’ny fitsarana Frantsay mihitsy tao anatin’ny 4 taona ingahy Sarkozy ary nitohy foana ny fanadihadiana. Porofo an-taratasy mazava no nivoaka fa tsy siosion-dresaka ary maro ny vavolombelona efa nohenoin’ny mpanao fanadihadiana. Asa hoe rahoviana no hisy tahaka izany eto Madagasikara ka tena hanao ny asany mazava tsara araka ny lalàna ny fitsarana, ka tsy hisy mpitondra fanjakana na inona na inona toerany ka ho afa-bela amin’ny kolikoly sy fanangonan-karena na fanana loharanom-bola hafahafa sy tsy mazava.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT