Any Ivelany

Fama Razafimahazo “Ampy izay fitakiana an-tsoratra sy am-bava izay”


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Nasainay anio avokoa, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny SSM na Valaben’ny sendika eto Madagasikara, Fama Razafimahazo,

ireo herim-pamokarana eto amin’ny firenena, izany hoe ny mpiasa eto Madagasikara, tetsy Antsahamanitra ny sabotsy teo. Na ny sehatra tsy miankina na miankina amin’ny fanjakana, ny miahy tena, isan-karazany, hoy izy. Ny olana mitranga dia nandefa taratasy fanambarana izahay taorian’ny 30 novambra 2022 mikasika ny hoe ireto ny olan’ny mpiasa ka mila vahana. Isan’izany amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana ny fitondrana ilay SGAP na “Statut général des agents publiques” izay ohatran’ny henohenoin’ny fanjakana fotsiny nefa takianay ny fampidirana azy io ho ao amin’ny fivoriana voalohan’ny parlemanta amin’ity taona ity. Karazany 13 izy ao. Ampy izay fitakiana an-tsoratra sy am-bava izay ary fangatahana fihaonana izay. Tanteraho amin’ny alalan’ny asa amin’izay ny fangatahanay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT