Any Ivelany

Fahamaizan’i Aostralia Tonga any Chili sy Argentina ny setroka


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Efa ho andro maromaro no voa mafy amin’ny fahamaizana any Aostralia satria mihena indray ny ala tokony hisintona ny etona mangeja hafanana na « gaz à effet de serre ».

 

Mandravarava ireo ala sy izay monina ao anatiny ny afo. Tafakatra 50 °C ny hafanana any ambanivohitr’i Sidney ka valan-javaboary maherin`ny 5 tapitrisa Ha no kilan’ny afo toy ny an`i Flinders Chase. Mavesatra ny voka-dratsy nateraky ny afo satria tonga any Chili sy Argentina ny setroka vokatry ny fahamaizana. 12 000 Km sy ranomasimbe anefa no manasaraka an`ireo firenena ireo. Manomboka mihamaizina ny lanitra manodidina an`i Argentina raha ny vaovao nampitain`ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro any an-toerana. Misy tsio-drivotra mahery vaika misarika ny setroka mankany andrefana. Hatreto aloha dia tsy voafehin`ny mpamonjy voina ny afo any Aostralia ary mihoatra ny 100 000 ireo mponina no nafindra toerana ary trano 1 500 no may.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT