Any Ivelany

Fahamaizana sesilany Nirehitra hatramin’ny fananan’ny Amiraly


  • Alakamisy 25 Novambra 2021

May ny faritry tanin'ny Filoha teo aloha efa nodimandry Amiraly Didier Ratsiraka ao Antanagnambo Toamasina, araka ny vaovao azo omaly.

 Ireo fambolena sy zava-maniry eo amin'ny tany no may ary nihitatra tsikelikely ny afo noho ny fisian'ny rivotra ka sarotra ny fifehezana azy, hoy ny fampitam-baovao omaly hariva. Nifandrimbona mamono ny afo ny mpamonjy voina avy ao amin'ny Kaominina Ambonivohitr’i Toamasina sy ny Port Toamasina niaraka tamin'ireo fokonolona manodidina. Tsy mbola fantatra izay niandohan'io afo io, raha ny fanamarihana. Hatrany amin’ny fananan’ny filoha teo aloha izay rain’ny minisitry ny asa tànana Rtoa Sophie Ratsiraka aza izany izao nirehitra, izay heverina fa nisy nandoro. Tena totoafo ny fahamaizana, ary tsy misy tsy ahitana izany ny faritra rehetra manerana ny Nosy, ary mena ny tondro rehetra, araka ny sary navoakan’ny zanabolana. Tena tsy tsapan’ny olona mihitsy ny loza aterany na tsapany fa tsy raharahiany. Efa miharihary anefa ny fiantraikan’ny doro tanety sy doro ala, ary porofo iray mivaingana io tsy fisian’ny rotsak’orana io, ary misy faritra efa tsy maintsy handatsahana orana ofisialy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT