FAHAFATESAN’I MAELLA

Tsy nanaotao foana izahay hoy ireo mpitsabo ao amin’ny HJRA


  • Zoma 21 Jona 2024

Anisan’ny vaovao mbola mitana ny sain’ny maro no sady nahabe resaka tao anaty

tambajotran-tserasera Facebook nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny fahafatesan’i Maella ilay zazavavy kely iray niakatra teny ambony armoara dia nitsambikina teo ambony fandriana ary nilatsaka teny amin’ny tany avy eo. Ny Sabotsy 08 Jona no nitrangan’io toe-javatra mampalahelo io rehefa niara-nilalao tamin’ny cousin-keliny tao an-tokantranony izy. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly tsy miankina iray teny Tsiadana ity zaza tsy manan-tsiny ity taorian’izany saingy tsy vitan’izy ireo ka voatery nentina tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nivonto mantsy ny tananan’i Maella. Indrisy anefa fa tsy tana ny ain’ilay zaza noho izy sondraovaky ny sakafo nomena azy hoy ny vaovao ka nahatsentsina ny lalan-drivotra. Tohana mafy noho io tranga io ireo fianakavian’i Maella ka nilaza ny hitory. Tsy naharitra fa nitondra fanazavana mikasika izany ireo lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ity hopitalim-panjakana iray ity omaly. Nambaran’izy ireo fa tsy maintsy manao fanadihadiana ny tompon’andraikitra vao miroso amin’ny fampatoriana olona na zaza iray tsy maintsy mandalo fandidiana ary misy sonian’ireo havan’ny marary na ny Ray aman-dRenin’ilay zaza izany. Ny taolana tapaka dia marary hoy izy ireo ary fitsaboana hatao aminy dia miteraka ny fikitihana ny ratsam-batana misy ny fahavoazana. Ny kiho no misy fahavoazana nefa any amin’ny poignet no hasiana platre. Tena izay mihitsy hoy ny mpitsabo iray satria misy ny platre manokana izay any amin’ny poignet no fametahana azy na dia ny kiho aza misy fahavoazana.
Nangonin’i Pati
Legende : Manana fahaiza-manao manokana momba ny fandidiana ny eto amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT