Evgeueni Pregojine Lehiben’ny Wagner

Maty 2 volana taorian’ny fikomiany


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Maty vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina manokana nitondra azy tany Tver any Rosia omaly 23 aogositra 2023 ny lehiben’ny vondrona Wagner Evegueni Pregojine,

raha ny vaovao niparitaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Olona 10 no voalazafa tao anatin’ilay fiaramanidina izay nampifandray an’i Moscou sy Saint-Petersbourg, saingy io tra-doza io, ka 3 no voalaza fa maty ary anisany i Pregojine. Misy ihany koa ny vaovao nivoy fa notifirina ity fiaramanidina ity. Ny Wagner izay karazana vondrona mitam-piadiana na « paramilitaires » Rosianina, ary manomboka manenika an’i Afrika, mampiasa vola amin’ny politika, harena an-kibon’ny tany,… Isan’ny tena nampiasaina tamin’ny ady tany Ukraine, saingy nisy fotoana toa nikomy tamin’ ny Fanjakana Rosianina tarihin’i Vladimir Poutine 2 volana lasa izay, ka mandeha ihany koa ny fandalinana fa misy ifandraisany tamin’ny fikomiana sy fikasana hanongana na hifandrefy ny fitondram-panjakana Rosianina ity loza ity. Raha ampifandraisina amin’ny zava-misy aty Madagasikara, vao ny 21 aogositra teo no voatonona tamin’ny lahatsoratra an-gazety vahiny iray I Pregojine, izay voalaza fa niditra lalina amin'ny raharaham-pirenena malagasy ny ekipan'ny Wagner izay tarihin'i Evguini Prigojine nampiasa vola tamin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany teto, nanohana kandida tamin’ny fifidianana, ary misy ifandraisana tamin’ny fahatrarana ireo fitaovam-piadiana tratran'ny mpiasan'ny Ladoany tatsy La Réunion ny 20 novambra 2022, saika halefa aty Madagasikara, izay nahitana basy P A sy bala marobe ary lance-roquette nafenina tao anaty Buldozzer. Itompokolahy SSM no voalaza fa voasoratra tamin’ny fanafarana ilay buldozzer, Malagasy nianatra tany amin’ny Firaisana Sovietika, efa mpitantana ny Kraoma mining SA izy io. Nodimandry ny 24 jolay teo, izay misy milaza fa fahafatesana tampoka,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT