ETAZONIA

Tsy ho kandida i Joe Biden


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Niresaka tamin’ny tambazotra sosialy X omaly ny filoha Amerikana Joe Biden

ka nilaza fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana ny 5 novambra ho avy izao. Nilaza izy fa hifantoka amin’ny famaranana ny fotoam-piasainy. Ramatoa Kamala Harris (Filoha lefitra) no nambarany fa iriany ho kandidan’ny Demokraty ary ho tohanany. Fanapahan-kevitra efa tsy dia nanaitra ny maro intsony satria , tsikaritra ny faharerahana, ny famadihana teny na fehezanteny, ny resaka very tadidy. Novolosan’i Donald Trump ity filoha am-perinasa ity nandritra ny fifanatrehana nifanaovan’izy ireo ary taorian’iny no tena nampiova ny zava-drehetra satria niteraka ahiahy teo anivon’ny antoko demokraty ilay zava-nitranga. Nisy mihitsy moa avy eo ireo lohandohan’ny mpisoron’ity antoko ity niantso ny filoha Biden mba tsy ho kandida.Vao miha nanamafy ny ahiahy ny fahafantarana fa voan’ny Covid-19 indray i Joe Biden ny herinandro lasa teo. Misamboaravoara ny antoko demokraty, ary miha malalaka ihany ny lalan’i Donald Trump hiverina ao amin’ny « Maison blanche » hoy ireo mpanara-baovao politika iraisam-pirenena.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT