Herinandro taorian’ny fahavakian’ny fifandiran’ny Filoha Amerikanina sy ilay mpanefoefo Elon Musk
am-batolampy, nifandamina ny roa tonta. Niala tsiny i Elun Mask ary niaiky « tafahoatra loatra » ny sasany tamin'ireo lahatsoratra nataony tamin’i Trump. Nanambara ny Maison Blanche fa nankasitraka ireo fanazavana ireo i Trump, araka ny tenin’ny mpitondra tenin’izy ireo, Karoline Leavitt. Elon Musk no nanomboka tamin’ny antso an-tariby an’i Trump tamin’ny alatsinainy alina izay efa nambaran’ny New York Times sy Reuters nialohan'ny handefasany ny hafatra fialan-tsasatra tao amin'ny X, nilaza fa “nihoatra loatra” ny sasany tamin'ireo fitsikerany an’i Trump. Nisy moa ny filazan’i Elon Musk fa tsy lany Donald Trump raha tsy nisy ny fanohanany, fa anisan’ny goavana ny nilazany “namoaka baomba” izy rehefa nilaza fa voatonona amin’ny antontan-taratasy momba an’i Jeffrey Epstein i Donald Trump. I Epstein dia mpanefoefo voaheloka ho nitondra vehivavy an-keriny tamin’ny resaka ara-nofo, izay maty namono tena tany amin’ny fonja federaly tamin’ny 2019. « DonaldTrump is in the Epstein files ». Niala tsiny izy herinandro aty aoriana. Nanaiky sy nankasitraka ny fialan-tsiny nataon'i Elon Musk i Donald, hoy ny fanambaran’ny Maison Blanche. Ity toe-javatra ity dia vokatry ny fifandirana goavana ara-pitantanana mikasika ny tetikasa mikasika ny ara-bola lehibe izay naroson’i Donald Trump satria tafiditra amin’ny fihenam-bola sy fandaniana be, izay tsy nankasitrahan’i Elon Musk sy niteraka ny fialany tsy hitantana ny DOGE (Departement of government efficiency). Rehefa nangotraka ny fifandirana dia tonga hatrany amin’ny resaka fampiatoana ny fifanarahan'i Musk amin'ny governemanta na fanesorana fanohanana (subventions). Nanambara i Trump tamin’izany fa mety hanafoana ny fifanarahana sy fanampiana rehetra natokana ho an’i Musk, izay mety hanavotra an’arivony tapitrisa dolara amin’ny tetibola. Voalaza fa mandray vola an’arivony tapitrisa dolara amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny fanjakana i SpaceX sy Tesla. Nianjera 18% ny lanjan’ny tsenan’i Tesla taorian’ny fandrahonana. Araka ny filazan’ny Leavitt taorian’ny fifandaminana, tsy nisy ny fanadihadiana mandeha momba ireo fifanarahana amin'ny governemanta natokana ho an'ireo orinasan’i Musk. Nifandamina ny samy ngeza ! Sarin’ady tokoa sa samy mahatsapa fa samy ho very raha mifamely sy hifanary ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.