Taorian’i Donald Trump dia nilaza ny lehiben’ny Diplaomasia Amerikanina Mike Pompeo omaly, fa manana porofo maneho fa nivoaka avy tao amina Laboaratoara any Wuhan Chine ny coronavirus.
Hatry ny ela izy ireo no niteny fa namboarin’ny sinoa ny covid-19. Nilaza ny Amerikanina fa nanapoizina izao tontolo izao ny sinoa noho ny laboratoara tsy manaraka ny fenitra. Tsy vao izao, hoy i Mike Pompeo, no nampidi-doza ny virus nivoaka avy tamina laboratoara Sinoa. Ny alakamisy teo i Donald Trump no efa nilaza fa efa miomana amin’ny sazy ho an’i Chine.
Frantsa
Mihena ny maty isan’andro
Miisa 24 895 ny fitsambaran’ny maty rehetra tany Frantsa hatramin’ny omaly. Nihena ny isa tao anatin’ny 24ora satria 135 izany, izay sokajiana ho isa ambany indrindra. 3 762 ny olona any anaty toeram-pameloman’aina. Hiala tsikelikely amin’ny fihibohana ny Frantsay manomboka ny 11 mey. Fantatra omaly ihany koa, fa tsy hisy ny fanokana-monina na “mise en quarantaine” ho an’ireo olona avy amin’ny firenena anatin’ny Vondrona Eoropeanina izany hoe ao anatin’ny Espace Schengen miditra any Frantsa.
Italie
Mpiasa 4,4 tapitrisa hiverina hiasa
Manomboka anio 4 mey fialana tsikelikely amin’ny fihibohana any Italie. Efa mihena ihany koa ny isan’ny maty isan’andro, izay 174 ho an’ny omaly. Io ihany koa no isa farany ambany hatramin’ny nandraisana fepetra nifehezana ny fifamezivezena. Mpiasa hatrany amin’ny 4,4 tapitrisa no an-dàlana hihazo ny toeram-piasany manomboka anio.
Orinasa rolls-royce
Asa 8000 hofoanana
Asa hatrany amin’ny 8000 no ambara fa hofoanana ao amin’ny Rolls-Royce, orinasa Britanika. 15% amin’ny mpiasa amin’ny sehatry ny fanamboarana maoterana fiaramanidina ireo mety handao ny toerany. Ny zoma lasa teo no efa nanao fanambarana ny Rolls-Royce fa foanana ny mpiasa 3000 ao amin’ny Kaompania Irlandey Ryanair sy 12 000 ao amin’ny British Airways.
Coronavirus
Olona 4,6 miliara no mihiboka
Mbola mahatratra 4,6 miliara amin’ny mponina eto ambonin’ny tany no ao mbola antsoina hijanona anaty fihibohana amin’izao fotoana izao noho ny mbola tsy fahafehezana ny aretina. 245 576 ny maty, ary 3,5 tapitrisa no voa. I Etazonia hatrany no be maty indrindra izay efa 67 155 ary 1,14 tapitrisa ny voa. Italie nahafatesana 28 884 , Royaume-Uni 28 446, Espagne 25 264.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.