Mananontanina ny 170 000 latsaka kely ny maty maneran-tany, ary 2 400 000 mahery no voa.
I Etazonia ny firenena lohalaharana, izay efa 4083 no maty, ary 759 786. Italie no faharoa, izay 24 114 no maty, ka 454 tao anatin’ny iray andro. Miisa 449 no namoy ny ainy tao anatin’ny 24 ora tany Royaume-Uni tao anatin’ny 24ora. Io no antontan’isa ambany indrindra hatramin’ny 6 aprily, araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly alatsinainy. Efa tafiakatra 16 509 ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay. Mahatratra 124 743 ny olona rehetra voa, ka ny 4 676 amin’ireo dia tao anatin’ny iray andro avokoa. Any Frantsa, dia 547 no maty ka nampiakatra ny isa manontolo ho 20 265.
SARY Etazonia
Lehiben’ny OMS
Tsy misy zavatra nafenina tamin’i etazonia izany
Nilaza ny Lehiben’ny OMS na ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana Dr Tedros Adhanon Ghebreyesus, fa tsy misy zavatra nafenina tamin’i Etazonia velively hatramin’ny niantombohan’ny coronavirus. Noho ny fanapahan’i Etazonia ny latsakemboka fandrotsany isan-taona ao amin’ny OMS izay mitentina 400 hatramin’ny 500 tapitrisa dolara isan-taona no anton’io. Nilaza mantsy ny Filoha Amerikana fa tsy mangarahara ny fomba fitantanan’ny OMS ity areti-mandringana maneran-tany ity. I Etazonia rahateo no be maty indrindra, ary efa nandrangaranga valifaty amin’i Chine ihany koa raha voaporofony fa tena nataon’olombelona mba handripahana olona tokoa ny coronavirus.
Singapour
1400 be izao ny tranga vaovao
Nanambara ny tany Singapour omaly, fa olona 1426 be ny fitomboan’ireo olona voamarina fa tratry ny covid-19. Isan’ireo firenena nanara-maso fatratra ireo olona mety voa noho fifampikasohana tamin’ireo efa voamarina fa efa tratry ny coronavirus I Singapour. Nambaran’ny manam-pahefana fa 8 014 ireo rehetra voa hatramin’izao, raha toa ka 11 kosa maty.
Angela Merkel
Mangata-panazavana amin’i Chine
Niantso fanazavana sy famoahana mangarahara avy amin’i Chine momba ny tena fiforonan’ny coronavirus ny Chancélière Allemande Angela Merkel omaly alatsinainy. Atao io mba hahafahana maka lesona lehibe eto amin’ny planeta tany, hoy izy. Mbola adihevitra moa hatramin’izao ny filazana fa tena namboarin’olombelona, ary nivoaka tao amina laboratoara tao Wuhan ny coronavirus. Nandiso izany ny sinoa. Nilaza ny hanao fanadihadiana mahaleotena mahakasika an’io anefa ny Aostralianina, kanefa nandà izany I Chine. Miahiahy ny fihetsik’i Pékin toa tsy nikoropaka firy nanomboka tany amin’ny fipariahan’ny coronavirus ihany koa ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.
Solika
Nitotongana 10,21 dolara ny barila
Nitotongana tanteraka ny “baril de brut” amin’ny solika any Etazonia ao anatin’ny Standard WTI (West Texas Intermediate) omaly alatsinainy. Sambany teo amin’ny tantara nanomboka tany amin’ny taona 1986 io. Noho ny fisavovonan’ny tahiry no mahatonga an’io sy fitotonganan’ny filàna no anton’io satria ao anatin’ny fihibohana ny androatokon’izao tontolo izao. Famatsiana ho an’ny volana mey anefa no tsinjaraina amin’izao. 14,8 dolara ny maraina, 11,7 dolara ny atoandrotoandro, ary nidina hatrany amin’ny 10,21 dolara ny iray barila (159litatra) ny hariva, ka ny solika iray barila mbola mora noho ny divay iray tavoahangy. Raha ny mifanohitra amin’izao dia efa tafiakatra 114 dolara ny barila tamin’ny 2011.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.