Any Ivelany

Etazonia 1891 ny maty tao anatin’ny iray andro


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

160 502 ny isan’ny maty maneran-tany hetreto raha kely indrindra, 2 281 334 ny voa. Nahatratra 1891 ny maty tany Etazonia tao anatin’ny 24 ora farany, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra ho 38 664 raha kely indrindra.

 

 

 

 Aorian’i Etazonia, dia 23 227 ny maty ho an’i Italie, 20043 ho an’i Espagne, 19323 ho an’i Frantsa, 15 464 ho an-dry zareo britanika izay tsy tafiditra amin’io ireo maty any amin’ny toerana fitazonana ireo beantitra efa misotro ronono vinavinaina ho 7500 eo ho eo.

 

Donald Trump

Mandrangaranga valifaty amin’i Chine

 Hentitra dia hentity ra ny fanambaran’ny Filoha Amerikanina Donald Trump tao amin’ny Maison Blanche, fa hizaka ny vokatry ny nataony i Chine raha voaporofon-dry ny fanadihadiana nataony momba ny coronavirus, izay voalaza fa aretina nofroronina sy naparitaka ity. Nilaza kosa ny sinoa, tamin'ny alalan'ny Tale Lefitra ny ivon-toeram-pitiliana Coronavirus -n'i Wuhan Pr Yuan Ziming, fa tsy azo heverina velively, hoy izy, ny fihetsika tiana voizina handotoana an'i China izany. Fantatratray ny nataonay, fa asa fikarohana sy fanaovana fitiliana. Efa nilaza ihany koa anefa Frantsay Pr Luc Montagner nahazo ny Prix Nobel de Medecine tamin’ny 2008 noho ny fahitany ny VIH/sida, fa avy amin’ny VIH no namoronana ny covid-19.

 

Afrika

Tombanana ho 300 000 ny ho faty

Tombanan’ny firenena mikambana na ny ONU ho lasa ivon’ny coronavirus ny Kaontinanta Afrikanina atsy ho atsy. Vinavinaina ho olona hatrany amin’ny 300 000 hetsy no ho faty aty Afrika. Manodidina ny 1000 ny maty aty Afrika hatramin’izao, ary olona 18 800 mahery kosa no efa voamarina fa voa. Fandriana 5 ho an’ny olona iray tapitrisa ihany no vonona ho an’ny Afrikanina, raha 4000 kosa ho an’ny any Eoropa, hoy hy OMS. 200 miliara dolara no vola tombanana fa ahafahan’ny Afrikanina miatrika ity areti-mandripaka ity.

 

Tany mahantra

 Mirarakompana ny fanampiana

Nifarana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tatitry ny fivoriambe (réunions de printemps) nataon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na FMI Banky Iraisam-pirenena. Isan’ny noresahina ny fanampiana ara-bola ho an’ny firenena afrikana izay efa maro ny nisitraka izany. Nankatoavina, ohatra, fa homena famatsiana 115, 3 tapitrisa dolara I Burkina Faso ny FMI, 21,3 ho an’i Gambie, 114,49 ho an’ny Niger ary 442 tapitrisa dolara ho an’ny Sénegal. Mamatsy ihany koa ny Banky iraisam-pirenena. Nisy ampahan-trosa nofoanan’ny Club de Paris sy ny mpikambana ao amin’ny G20 amin’ireo firenena afrikana tena mahantra.

 

 Tsy te hihiboka ny Amerikanina

 Mitohy ny aty Afrika sy any Eoropa

367 no efa maty raha kely indrindra ary 2534 ny voa any Algérie, ka hotohizana hatramin’ny 29 aprily ny fihibohana, raha toa hatramin’ny 20 mey kosa ny any Maroc, izay efa 137 no maty, ary 2685 no voa. Ny any Etazonia firenena be maty indrindra dia misy ny hetsika fitakiana ny fanatsaharana ny fihibohana tamina tanàn-dehibe maro omaly, ka ny Filoha Donald Trump mihitsy no mamporisika ny vahoaka amin’io fanatsaharana azy io hanavotana ny toekarena. Notohizana hatramin’ny 9 mey kosa ny any Espagne, Royaume-Uni,…

 

Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT