Any Ivelany

Espana sy Etazonia Mitombo be ireo tsy an’asa


  • Zoma 03 Aprily 2020

Nitombo 300 000 ny isan’ireo tsy an’asa any Espana ary amin’izao fotoana izao dia miisa 6 600 000 izay manome 10% amin’ny vahoaka amerikana no tsy miasa.

 

 

Izany no anisan’ny voka-dratsy ara-toekarena entin’ny aretina Coronavirus. Ankoatr’ireo firenena matanjaka ireo dia efa maro ihany koa ireo firenena hafa na manankarena na an-dalam-pandrosoana miroso amin’ny tsy maintsy fampijanonana ireo mpiasa. Anisan’izany i Italia izay vinavinain’ny mpahay toekarena ho voa mafy indrindra noho nyaretina hatreto. Amin’izao fotoana izao mantsy dia tombanana ho aotra mihitsy ny fitomboana ara-toekarena misy any an-toerana amin’ity taona ity na dia ho resy aza ny aretina. Manoloana ireo tsy fisian’asa maro be any Espana sy Etazonia ireo dia efa misy hatrany ny aro fanina napetraka ary mahazo tsara ny zavatra ilainy an-davan’andro ny ankamaroan’ireo olona ireo. Mampanahy sy tsy azo eritreretina raha izany toe-javatra izany no tonga eto Madagasikara !!

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT