Lehilahy iray, 60 taona izay mpampianatra no voaporofo fa matin’ny Coronavirus tany Paris Frantsa ny alin’ny talata teo.
Ity lehilahy ity izany no teratany Frantsay voalohany matin’ny Coronavirus. Tsy nandalo tamin’ireo sokajiana fa faritra mena anefa izy araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitra tany an-toerana omaly ary efa mandeha ny fanadihadiana mba hahafantarana ny tena marina, hoy ny minisitry ny fahasalamana Olivier Véran. Olona roa izany aloha hatreto no matin’ny Covid 19 tany Frantsa dia ity mpampianatra ity sy teratany Sinoa iray 80 taona. Hatreto izany dia miisa 11 ireo efa sitrana ary olona 4 kosa mbola tsaboina any amin’ny hopitaly any Frantsa; omaly alarobia no fantatra ny tranga roa tamin’ireo ary raha ny vaovao nivoaka dia efa mampanahy be ihany ny lehilahy iray 55 taona satria hita ho tena voa mafy. Lasa miteraka ahiahy sy fitaintainana amin’ny mponina any an-toerana ny fihanahan’ny Coronavirus any amina firenena vaovao hafa any Eoropa nanomboka ny talata lasa teo, tahaka an’i Autriche, Suisse, Croatie ary Grèce. Ny any Italie moa no tena voa mafy satria mponina miisa 50 000 amina tanàna 11 no tsy maintsy natoka-monina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.