Manomboka miala tsikelikely amin’ny fihibohana ny ankamaroan’ireo firenena any Eoropa,
ka eo amin’ny 15 no efa ahitana an’izany. Somary mihena rahateo ny isan’ny maty isan’andro, toy ny any Italie izay 195 omaly, ny any Espagne 164, ny tany Royaume-Uni 288, ary tany Frantsa 306, izay somary nidangana nitaha ny afakomaly izay 135. Tafiakatra 69 168 kosa ny fitambaran’ny maty hatrizay any Etazonia, raha 250 986 ny maneran-tany no maty, ary 3 624 472 ny voa manerana izao tontolo izao.
Senegal
Ny 10% n'ireo voatily no voa
Tamin’ny fitiliana 810 natao ny alahady teo, dia voa avokoa ny 67 tamin’ireo izay 8,27% ny taham-pahavoazana. Efa tafiakatra 1271 ny isan’ny olona voa any Sénégal amin’izao fotoana izao, ka 89 no tranga vaovao ka ny 372 no sitrana, ary efa 10 ny maty ka omaly ny 1. Efa voarain’ireo manam-pahefana any Sénégal moa ilay covid organics anjarany izay nampitondraina ny solontenan’I Guinée Bissau nitondra ny anjaran’ireo firenena 15 ao anatin’ny CEDEAO.
France
Aloan'ny fanjakana ny karaman'ny mpiasa tsy miankina
Ny 11,7 tapitrisa amin’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina any Frantsa no tsy an’asa amin’ny ampahany amin’izao fotoana izao. Ny Fanjakana no mandray an-tànana ny karaman’izy ireo, araka ny fanambaran’ny Minisitry ny asa Muriel Pénicaud. Mbola tsy hitsahatra io fahaverezan’asa io, ary tsy mbola tazonina hatrany ny fitsinjovana ireo mpiasa aorian’ny 11 mey, hoy io Minisitra io. Miditra an-tsehatra amin’ny fanampiana ireo orinasa lasibatry ny krizy ny Governemanta Frantsay.
Algérie
Tsy hindram-bola amin'ny FMI
Potika tanteraka ny toekarena Alzerianina izay miankina betsaka amin’ny solika nitotongana tanteraka kanefa miantoka ny 90% amin’ny fampidiram-bola vahiny sy ny 60% amin’ny hetra ara-tsolika. Zara raha nisy 57 miliara euros izany ny faran’ny 2019 niantombohan’ny krizy, raha 162 tapitrisa dolara izany ny taona 2014. Na eo aza ny krizy ara-bola dia nilaza ny tsy hindram-bola amin’ny FMI sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny Filoha Abdelmadjid Tebboune satria manohintohina ny fiandrianana, hoy izy. 4568 ny voa any amin’ity Firenena ity. 1998 ny sitrana ary efa 465 ny maty hatreto, ka ny 2 omaly.
Baolina Kitra frantsay
224 tapitrisa euros hanampiana ireo klioba vaventy
Nifanaraka ny LFP (Ligue de Football Professionel) any Frantsa omaly alatsinainy fa hisy ny lelavola 224,4 tapitrisa Euros iantohan’ny Fanjakana Frantsay ka hampindramina ireo klioba ao anatin’ny Ligue 1 sy Ligue 2 mba hanampiana azy ireo noho ny tsy fisian’ny fidiram-bola taorian’ny fahatapahan’ny fifaninanana noho ny coronavirus. Isan’ny fampidiram-bola ho an’ny Klioba moa ny vola raisiny amin’ny fandehanan’ny lalao amin’ny fahitalavitra na “Droit TV”.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.