140 902 no maty raha kely indrindra, ary 2 125 041 kosa no olona voa maneran-tany, izay firenena 193 no efa misy ny coronavirus. 92 000 mahery ny maty tany Eoropa izay 65% amin’ny maneran-tany.
22 170 no maty tany Italie, ka 525 tao anatin’ny 24ora. 19 130 ny an’I Espagne ka 551 no tao anatin’ny 24ora. Niakatra ho 17 920 kosa ny maty tany Frantsa, ka ny 753 dia tao anatin’ny 24ora.
Etazonia
Tafiakatra 31 600 ny maty
2310 ny maty tao anatin’ny iray andro tany Etazonia ny 14 aprily, 2506 ny 15 aprily, ary 2569 tao anatin’ny 24 ora farany ho an’ny isan’ny olona maty isan’andro any Etazonia. Tafiakatra 31 590 ny maty ho an’i Etazonia, ka ny 11 500 dia tao New York avokoa. Na izany aza, nanao famelabelarana ny drafi-pamelomana tsikelikely ny toekarana i Donald Trump omaly, ary naneho fa efa tonga amin’ny tombana ambony indrindra amin’ny isan’ny olona mety ho voa na ny PIC i Etazonia. Mitohy ny ady, fa ny toekarena ihany koa tsy maintsy jerena, raha ny nambarany. 22 tapitrisa ny Amerikanina tsy an’asa amin’izao fotoana izao.
Royaume-uni
Miampy 3 herinandro ny fihibohana
Nanao fanambarana omaly ny governemanta Britanika, tarihin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Dominic Raab misolo toerana vonjimaika ny Praiminisitra Boris Johnson izay mbola maka aina rehefa sitrana ny covid-19 nahazo azy ary efa nivoaka ny hopitaly efatra andro izay. Nohalavaina 3 herinandro ny fihibohana mba hifehezana ny fiparitahan’ny coronavirus. Efa ny 23 martsa no nanomboka nihiboka ry zareo. 103 093 ny olona voa any amin’izao, 13 729 ny maty, ka 861 amin’ireo tao anatin’ny 24 ora farany.
Perou
Zazakely vao teraka tratry ny covid-19
Zazalahikely vao teraka ny alarobia 15 aprily teo voamarina fa tratry ny coronavirus avy any an-kibo tany Pérou. Mitondra io tsimokaretina io ny reniny ka tamin’ny alalan’ny ahitra no voalaza fa nifindrany fony mbola tao an-kibo ity zazakely ity. Efa tranga faharoa ity niseho ity, raha ny fanamarihan’ny manam-pahefana ara-pahasalamana Perovianina.
Espagne
Nodimandry i Luis Sepulveda
Nodimandry omaly tany Espagne teo amin’ny faha-70 taonany noho ny covid-19 ilay mpanoratra malaza Silianina Luis Sepulveda, izay voatery nanao sesin-tany ny tenany tany amin’ity firenena ity nanomboka ny taona 1980 noho ny jadon’I Augusto Pinochet. Ny faran’ny febroary izy no naiditra hopitaly tany Oviedo, izay misy ny toeram-ponenany, rehefa niverina avy Portugal nanatrika hetsika momba ny literatiora. Namoaka boky maro, angano ho an’ny ankizy, famakafakana izy ary nisy hatrany amin’ny 50 no nanao fandikana ny asa sorany.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.