Any Ivelany

Emmanuel Macron Misokatra amin` izao tontolo izao


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Iray amin` ireo fototra iorenan` ny politikan` ny Filoha Emmanuel Macron ny fisokafana amin` izao tontolo izao. Ankehitriny dia midona amin` ireo izay manindrahindra ny fihemoran` ny maha izy ny olon

 

 

 

a iray sy ny fiafaran` ny ifandraisan` ny firenena maro izy. Mitoky amin` ny firaisankina eoropeanina sy amin` ny fitantanana iombonana eo amin` ny sehatra iraisam-pirenena ny Filoha Macron. Izany, raha ny marina no hany mampandroso lohahevitra fantatra eran` izao tontolo izao toy ny ady amin` ny fiakaran` ny maripana, ny ady amin` ny valan`aretina mihanaka amin` ny toerana maro, ny famolavolana paikady hampiroborobo toekaren’ireo firenena amin’ny ilabola-tany atsimo ka hampitsahatra ny fifindra-monina.Afaka manampy ny Filoha Macron , raha ny filazany mba hanoherana ny fijery tia tena, tia fifandirana manohintohinna ny fitoniana sy ny fahamarinan-toeran` izao tontolo izao. Etsy ankilan’izay anefa hita ihany fa sahirana eo amin’ny resaka sosialy ny Frantsay amin’izao fotoana izao ka mahatonga savorovoro matetika, ka mitarika fanimbana ny fanana iombonana satria maneho ny hatezerany ny olona.Ampangain’ny Franntsay ho variana loatra amin’i Eoropa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny filoha Macron kanefa tsy manome vahaolana azo tsapain-tanana amin’ny olan’i Lafrantsa

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT