Any Ivelany

Ela ny ela Nahazo Tale Jeneraly ihany ny CNaPS


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny asa ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, dia notendrena ho Tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS Atoa Mamy Rakotondrainibe.

 

 

Tale Jeneralin’ny orinasa DHL, izy teo aloha no nomena ny andraikitra hitantana ny CNaPS. Ny DHL izay orinasa iraisam-pirenena hita amina firenena 220 eo, manana rantsana eto Madagasikara izay fantatra amin’ny resaka fiantsorohana ny fandefasana taratasy na entana na fitaovana avy any ivelany, ary mitsinjara izany amin’ny tompony. Raha hiverenana ny tantara, dia efa tamin’ny 20 martsa 2019 teo no nanesorana ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raul. 8 volana katroka tsy nisy Tale jeneraly tompon-toerana izany ny CNaPS, izay nametrahana tompon’andraikitra izao. Ity orinasa ity izay mikirakira vola be tokoa momba ny fiahiana ara-tsosialy. Asa na inona loatra ny kajikajy natao na zavatra nanahirana tao ka izao valo volana aty aoriana izao vao voatendry ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT