Any Ivelany

Egypte 20 no maty tao anatin’ny iray andro


  • Talata 28 Aprily 2020


 

 

 

1428 no maty aty Afrika, ary 32 182 kosa ireo olona efa voamarina fa tratry ny coronavirus. I Afrika Atsimo no ahitana olona voa be indrindra izay efa 4793 no voa ary efa 90 no maty. Any Egypte dia 4782 no voa ary efa tafiakatra 337 no maty, ka 20 be izao no tao anatin’ny 24ora raha kely indrindra. 4120 kosa ny voa any Maroc, ary 162 ny maty, ka ny iray no omaly. 3 517 kosa ny voa any Algerie, ary 432 no maty, ka 7 amin’ireo dia tato anatin’ny 24ora farany.

 

France

Miverina mindangana ny isa, 437 maty iray andro

 Raha mba efa nidina 242 ny maty tany Frantsa ny alahady teo, dia niverina nidangana indray ny isa omaly alatsinainy satria nahatratra 437 izany. Tafiakatra 23 293 ny maty hatramin’ny niantombohan’ny valanaretina, 166 000 eo ny voa any Frantsa, ka ny 4 608 amin’ireo dia any amin’ny toeram-pameloman’aina. Andrasana anio ny drafitra fialana tsikelikely amin’ny fihibohana.

 

Vahoaka frantsay

 Maniry governemantan’ny firaisam-pirenena

Raha notaterina teto fa ny 39% sisa ny taham-pitokisana ny Governemanta Frantsay, dia nivoaka indray omaly ny valin’ny tsapan-kevitra nataon’ny Ifop, fa ny 7 amin’ny Frantsay miisa 10 na 71% eo no resy lahatra amin’ny tokony hananganana ny governemantan’ny Firaisam-pirenena mba hiadiana amin’ny coronavirus sy ny fiantraikany. Efa hitahita soritra ny hoavy ara-politikan’i Emmanuel Macron izay Filoha tanora vao herotrerony, fa ho sarotra ny hahatafavere

 nany amin’ny toeran’ny filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo

 

 

 

Etazonia

Nitombo 10% ny harenan’ireo miliardera

Raha toa ka efa 26 tapitrisa ny Amerikanina very asa ankehitriny noho ny krizin’ny coronavirus, dia mitombo kosa ny harenan’ireo miliaridera Amerikanina izay nikatra ho 282 miliara dolara hatramin’ny niantombohan’ny krizy, izany hoe nisy fitomboana 10%, araka ny fanadihadiana nataon’ny Institute for Policy Studies. Taorian’ny fitotonganana kely (-164 miliara dolara) nahazo ireo mpanefoefo Amerikanina 600 isa tany amin’ny fiandohan’ny taona, dia 2 947 miliara dolara ny tomban’ny volan’izy ireo ny 18 martsa no lasa 3229 taty amin’ny 10 aprily, hoy io fanadihadiana io. Maherin’ny 1 tapitrisa no voan’ny coronavirus any Etazonia, ary 56 500 eo ny olona efa maty.

 

Congo Brazzaville

 Kianin’ny firaisamonim-pirenena ny fihibohana

 Kianin’ny Firaisamonim-pirenena ho tsy mifanaraka amin’izay mety amin’ny vahoaka ny fihibohana. Hamafisina fa tsy tokony ho tahaka ny any Eoropa na any Etazonia ny fihibohana. Mila mieritreritra ny momba ireo vahoaka Congolais ny mpitondra. Noho izany, dia mila manao fihibohana mifanaraka amin’ny fiainam-bahoaka ny fanjakana, ary tokony hizara tohana mafonja, hoy I Jo Washington Ebina, isan’ireo mafana fo ao anatin’ny Firaisamonim-pirenena any Congo-Brazzaville.

 

Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT