Any Ivelany

Egypta Maty teo am-pitsarana azy i Mohamed Morsi


  • Talata 18 Jona 2019

Afaka namaly ny fanontanian’ireo mpitsara nandritra ny 20 minitra ary dia nitambotsitra tampoka avy eo i Mohamed Morsi.

 

 

Izay no nitranga tao amina lapam-pitsarana iray tany Egypta omaly, nodimandry teo amin’ny faha 67 taonany ity filoha voafidy tany Egypta ny taona 2012 ity ary nirodana herintaona taorian’izay moa.Voalaza fa krizy noho ny aretim-po no nahavoa azy.Efa nararin’ny diabeta no sady miakatra tosi-dra matetika i Mohamed Morsi.Izy no sivily voalohany nitondra ny fireneny taorian’ny revolisionina nandrodanana an’i Hosni Moubarak ary voalohany voafidy ara-demokratika ihany koa.Nipoitra avy ao amin’ny “Les Frères Musulmans” izy, nantenaina hanova ny fomba fitantanana kanefa nandiso fanantenana ny mponina satria tsy nahavita namerina ny filaminana sy ny fandriampahalemana tany Egypta.Ny jeneraly Abdel Fattah al-Sissi izay filoha am-perinasa amin’izao fotoana no nanohitra mafy azy ary nitarika  ny fandrodanana azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT