Sambany hatramin’ny nahatafidiran’ny covid-19 tany Etazonia no nanao arotava imasam-bahoaka ny Filoha Amerikanina Donald Trump omaly alahady raha nitsidika ny Hopotalin’ny miaramila tao Washington.
Isan’ireo Filoha nanamaivana ny fepetra ara-pahasalamana I Donald Trump, ary nametraka ho ambony ny famoriam-bahoaka aza, raha ny mifanohitra amin’izay ny an’I Joe Biden, mpifanandrina aminy amin’ny fifidianana Filoha. Tsy nampoizina anefa ny fihetsiky Donald Trump nanao arotava io, izay miteraka adihevitra any Etazonia. 3 398 573 ny tranga hatrizay, 61 719 ny sabotsy teo. Efa 137 680 ny maty ankehitriny, ka 731 afak’omaly.
SERBIE
MIHA MAFANA NY FANOHERANA
Olona an’arivony no nirohotra nivoaka tany amin’ny tanàn-dehibe maro tany Serbie ny sabotsy teo, ka isan’izany ny teo anoloan’ny Lapan’ny Parlemanta tao Belgrade renivohitra. Hetsika fahadimy nataon’ireo mponina natao hanehoana ny tsy fankasitrahan’ny governemanta ny fitantanany sy ny fifehezany ny valanaretina covid-19 sy ny politika ankampobeny ampiharin’ny Filoha Aleksandar Vucic. Nohamavainina ny valanaretina, izay efa olona 18 000 eo no efa voa, ary 382 ny maty. Nalefa ny fifidianana depiote ny 21 jona, nisy lalao baolina kitra nahavory vahoaka, lalao tennis,… ka efa niparitaka ny aretina vao taitra sy nampihantra fepetra.
INDE
MPILALAO SARIMIHETSIKA MALAZA MARO VOA
Firenena fahatelo be olona voa indrindra eto ambonin’ny tany i Inde amin’izao fotoana izao satria efa 879 466 ny olona tratry ny covid-19. Miisa 29 108 ny tranga vaovao omaly. 500 kosa ny namoy ny ainy tao anatin’ny 24 ora, ary efa 23 187 ny hatrizay. Maro amin’ireo mpilalao sarimihetsika malaza no voamarina ankehitriny fa voa, toa an’i Amitabh Bachchan sy ny zanany mianadahy, Aishwarya Rai sy ny zanany vavy,...
AFRIKA AFOVOANY
NAMOAKA 90 MILIARA FCFA NY BDEAC
Nisy ny sabotsy lasa teo ny fivorian’ny Filankevi-pitantanan’ny BDEAC (Banque de développement des Etats de l’Afrique centrale) nanehoana ny ahiahy amin’ny fiparitahan’ny covid-19 any amin’ireo firenena 6 mpikambana ao anatiny. Nanapa-kevitra ny hamoaka vola 90 miliara FCFA noho izany ny BDEAC hanohanana ireo firenena mikambana ao anatiny ireo, dia i Cameroun, Centrafrique, Congo, Gabon, Guinée équatoriale, ary i Tchad.
ORLANDO ETAZONIA
NIVERINA NIVOHA NY DISNEY WORLD
Na midangana aza ny isan’ny olona voan’ny coronavirus any Floride, dia nanokatra ny varavarany ny toeram-pitsangantsanganana malaza Disney World any Orlando ny faran’ny herinandro teo, izay efa 4 volana nikatonana. Tsy maintsy manao arotava sy ireny karazana fiarovana “visière” ireny avokoa anefa ny mpitsidika, izay misy famandrihana manokana. Mahatratra 21 tapitrisa isan-taona ny mpitsidika ny Disney any Orlando. Tombanan’ny manam-pahaizana ho maherin’ny 1 miliara dolara ny fatiantoky ny Disney noho ny fikatonan’ireo toerana ahitana izany maneran-tany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.