Any Ivelany

Donald Trump Nomeny hiadiana amin’ny Cononavirus ny karamany


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Nomen’ny Filoha Amerikanina ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny raharaha sosialy any Etazonia mba ho fanampiana ny karamany tamin’ny 3 volana faran’ny taona 2019.

Mba hiatrehana ny ady amin’ny valan’aretina coronavirus izay efa mamely an’ity firenen-dehibe ity no anton’io. Ny sekretera momba ny fampahalalam-baovaon’ny Maison Blanche Stepahinie Grisham no namoaka ny sary maneho ny taratasim-bola 100 000 dolara an’i Donald Trump ho an’ny sekreteran’io ministera io HHS Alex Azar. Nanao fanoloran-tena hanolotra ny karamany mandritra ny maha filoham-pirenena azy ho fanampiana ny Filoha Trump, ary tena mendri-piderana ny fampanantenany hiaro ny vahoaka Amerikanina, ary isan’ny goavana izao fiarovana amin’ny Coronavirus izao”, hoy i Grisham tao amin’ny Kaonty Tweeter. Efa nahatratra 10 ny olona matin’ny Coronavirus tany Washington. Mahatratra 100 mahery ny trangan’aretina voamarina any Amerika amin’izao fotoana izao. Eto amintsika, dia isan’ny teny nataon’ny Filoha Rajoelina ny hoe: tsy handray karama fa homeny ny faritra ny karamany. Asa faritra aiza sy iza avy no efa nisitraka an’izay fa toa tsy nisy tatitra?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT