Any Ivelany

Donald Trump Nanambara ofisialy fa kandida 2024


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Vaovao politika isan’ny nanamarika an’I Etazania sy maneran-tany ny nanambaran’ny filoha Amerikanina teo aloha Donald Trump tamin’ny fomba ofisialy ny fitotsahany ho kandida Filoham-pirenena indray amin’ny taona 2024.

Tany amin’ny tanànany tany Floride no nanambarany izany omaly tokony ho tamin’ny 5 ora maraina aty amintsika. Fotoana vitsy nialohan’ny fanambarany ny firotsahany no nametrahany ny antontan-taratasiny. “America’s come back starts right now” na “Tafaverina indray I Amerika manomboka izao”, hoy izy, izay naneho fa ahombiazana ny fe-potoana niasany voalohany, nandroso amerika, nilamina sy najaina teo amin’ny sehatry iraisam-pirenena. Nahitsy I Trump naneho fa tsy mila haverina eo amin’ny fitondrana intsony I Joe Biden, endriky ny faharesen’ny antoko ankavia sy ny kolikoly I Joe Biden,… Tsara ny mampahatsiahy, fa izay no Filoha Amerikanina nanomboka ny novambra 2016, resy tamin’ny 2020, izay nanohitra izany, ary nilaza fa feno halatra sy hosoka ny fifidianana. Ho tafapaka any Etazonia ve ny rivotra nitsoaka tany Brezila nahatafaverenan’I Lula Da Silva eo amin’ny Fitondrana na koa ny fahazoan’I Benyamin Nietanyahou laka indray any Israel ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT