Any Ivelany

Donald Trump Mandrahona ny hiala ao amin’ny OMC


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Nanambara ny filoha Amerikanina Donald Trump fa manome vahana loatra an’i Sina ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Varotra (OMC) ary raha mbola mitohy izany dia hiala tsy ho mpikambana ao i Etazonia.

 

 

Teo anatrehan’ireo mpiasan’ny orinasa Shell izay manao zavatra simika tany Pennysylvanie izy no nilaza izany.  Tsiahivina fa tsy vao izao ity filoha amerikanina ity no mandrahona hiala amin’ny fikambanana iraisam-pirenena tahaka izao. Nilaza mihitsy izy fa manao tsinontsinona an’i Etazonia ny OMC ary nangataka mihitsy ity farany tamin’ny volana jolay lasa teo ny amin’ny tokony hisian’ny fanovana fomba fiasan’ny OMC ary tsy hanome vahana mihitsy ny firenena an-dalam-pandrosoana ihany koa. Tahaka an’i Sina manokana izay manararaotra ny firenena an-dalam-pandrosoana nefa omen’ny OMC vahana, hoy ny fitondran’i Donald Trump.  Amin’izao fotoana izao dia efa nanaiky sahady nametraka manampahaizana maro hanamarina ny fanarahan’i Sina na tsy ny lalàn’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ny OMC mahakasika ireo panneaux solaires aondran’i Sina. Fangatahan’i Etazonia nahazo rariny izay tsy mahafaly an’ireo sinoa mihitsy satria manome vahana tanteraka ny politika ara- ketran’ny amerikana. Tsy mety tapitra, araka izany, ny disadisa ara-barotr’ireto firenena matanjaka ireto ary tsy maintsy hisy akony amin’ny toekaren’ny firenena ivelany mifandray amin’izy ireo hatrany izany. Hatreto dia tsy misy ny marimaritra iraisana ary na ny mpanelanelana amin’ny ady ara-barotra (Organe de Réglement des Différends) hita ho tsy manam-bahaolana mazava.

Tsirinasolo

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT