Any Ivelany

Donald Trump Mandrahona ny hiala ao amin’ny OMC


  • Talata 20 Aogositra 2019

Nanambara ny filoha Amerikanina Donald Trump fa manome vahana loatra an’i Sina ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Varotra (OMC) ary raha mbola mitohy izany dia hiala tsy ho mpikambana ao i Etazonia.

 

 Teo anatrehan’ireo mpiasan’ny orinasa Shell izay manao zavatra simika tany Pennysylvanie izy no nilaza izany.  Tsiahivina fa tsy vao izao ity filoha amerikanina ity no mandrahona hiala amin’ny fikambanana iraisam-pirenena tahaka izao. Nilaza mihitsy izy fa manao tsinontsinona an’i Etazonia ny OMC ary nangataka mihitsy ity farany tamin’ny volana jolay lasa teo ny amin’ny tokony hisian’ny fanovana fomba fiasan’ny OMC ary tsy hanome vahana mihitsy ny firenena an-dalam-pandrosoana ihany koa. Tahaka an’i Sina manokana izay manararaotra ny firenena an-dalam-pandrosoana nefa omen’ny OMC vahana, hoy ny fitondran’i Donald Trump.  Amin’izao fotoana izao dia efa nanaiky sahady nametraka manampahaizana maro hanamarina ny fanarahan’i Sina na tsy ny lalàn’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ny OMC mahakasika ireo panneaux solaires aondran’i Sina. Fangatahan’i Etazonia izay tsy mahafaly an’ireo sinoa mihitsy izany satria manome vahana ny politikan’ny hetra amerikana. Tsy mety tapitra, araka izany, ny disadisa ara-barotr’ireto firenena matanjaka ireto ary mety hisy akony amin’ny toekaren’ny firenena ivelany mifandray amin’izy ireo. Hatreto dia tsy misy ny marimaritra iraisana ary ny mpanelanelana amin’ny ady ara-barotra (Organe de Réglement des Différends) hita ho tsy manam-bahaolana mazava.

Tsirinasolo

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT