Diplaomasia Amerikanina

Ambasadaoro 30 atsahatra, anisany i Madagasikara


  • Zoma 26 Desambra 2025

Nampiantso indray diplaomaty efa

za-draharaha manodidina ny 30, izay mitana andraikitra amin’ny maha-ambasadaoro sy asa ambony hafa any amin’ny masoivoho Amerikanina any ivelany indray ny Fanjakana Amerikanina, raha mbola miezaka izy hanova ny endriky ny diplaomasia amerikanina any ivelany amin’ny alalan’ny mpiasa heverina fa manohana tanteraka ny laharam-pahamehana “America First” an’ny filoha Donald Trump. Lehiben’ny iraka diplaomatika any amin’ny firenena 29 farafahakeliny no nampahafantarina fa hifarana amin’ny volana janoary ny fe-potoana iasan’izy ireo, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra roa ao amin’ny Departemantan’ny Fanjakana. Ireo rehetra ireo dia nanomboka ny asany teo ambanin’ny fitantanan-draharaha Biden, saingy tafavoaka tamin’ny onja voalohany tamin’ny fandroahana nandritra ny volana voalohany amin’ny fe-potoana faharoa an’i Trump, izay nifantoka indrindra tamin’ireo olona notendrena noho ny antony politika. Niova ny toe-draharaha tamin’ny alarobia teo, raha nanomboka nandray fampahafantarana avy amin’ny manampahefana tao Washington izy ireo momba ny fialany tsy ho ela. Ny ambasadaoro dia miasa araka ny sitrapon’ny filoha, na dia matetika aza dia mijanona eo amin’ny toerany mandritra ny telo ka hatramin’ny efatra taona. Ireo voakasiky ny fanovana dia tsy very asa ao amin’ny sampan-draharaha diplaomatika, fa hiverina any Washington amin’ny asa hafa, raha manaiky izany izy ireo, hoy ny fanazavan’ny manampahefana. I Afrika no voakasika indrindra izay Firenena 13 no hampodiana avy hatrany ny Ambasadaoro: Burundi, Kamerona, Cap-Vert, Gabon, Côte d’Ivoire, Madagasikara, Maorisy, Niger, Nizeria, Rwanda, Senegaly, Somalia ary Oganda. Ny Azia no faharoa, misy fanovana ambasadaoro any amin’ny firenena enina: Fidji, Laos, Nosy Marshall, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Filipina ary Vietnam. Firenena Eoropeana efatra no voakasika (Armenia, Macédonie, Montenegro ary Slovaquia), ary firenena roa any Afovoany Atsinanana (Alzeria sy Ejipta), roa any Azia Atsimo sy Afovoany (Nepal sy Sri Lanka) ary roa any amin’ny hemisfera andrefana (Goatemala sy Suriname). Mbola baraiingo ny hoe : hisy fametrahana solony sa hatsahatra tanteraka ny ambasadaoro ireo ? Hosoloina mpiandraiki-draharaha ? Misy fiantraikany lehibe amin’ny Firenena toa antsika ny toy izao noho ireo fandaharan’asa maro lafy toy ny maha olona, tontolo iainana,… Taorian’ny fanatsaharana ny USAID, dia miroso amin’ny fampitsaharana ambasadaoro izany ny bekintana.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT