Miitatra ny ady, manomboka henjana ny fiantraikany eran-tany
Niditra 5 andro omaly ny ady ifanaovan’i Etazonia sy Israël amin’i Iran nanomboka ny 28 febroary 2026. Tsy voafetra tamin’ny sehatra anatiny ao Moyen-Orient ihany. Niteraka fahapotehana ara-miaramila, ara-toekarena, ary ara-jeopolitika maneran-tany. Tafakatra 1.200 eo no maty tany Iran izay iharan’ny daroka baomba ireo toerana stratejika indrindra fa ny mikasika ny nokleary, eny fa hatramin’ireo any ambanin’ny tany. Ho an’i Israël, niradraraka ihany koa ny balafomanga iranianina namely tanàna maro nahafatesana olona 230 sy nahatonga fahasimbana amin’ny fotodrafitrasa (Loharano : Haaretz). Etazonia nilaza fa tsy nisy fahavoazana lehibe tamin’ny toby miaramilany (Pentagon briefing). Tao Liban, ny Hezbollah nanafika sisintany avaratr’i Israël, nahatonga fahavoazana sy fanafihana an’habakabaka miverimberina (source: Al Jazeera). Raikitra ihany koa ny fanafihana ataon’ny Amerikanina sy Israelianina any amin’ireo tobin’ny Hezbollah any Liban. Tao Sri Lanka, nisy fanafihana an-tsambo tao amin’ny faritra Colombo izay ahiana ho misy fifandraisana amin’ny krizy ara-tsolika sy ny làlan-tsambo Indianina (source: Lloyd’s Shipping Report). Potiky ny sambo mpitsirika Amerikanina ny sambo mpiady Iranianina, ka olona sy tatsambo 150 no voalaza fa tsy hita sy maty. Any Eoropa, ny governemanta frantsay namoaka fanambarana fa hanome fitaovam-piadiana sy fiarovana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka aminy any Moyen-Orient, indrindra Israël sy Etazonia, amin’ny anaran’ny fiarovana ny “stabilité régionale”, ka efa nanetsika ireo fitaovam-piadiany (Le Monde). Nahetsika niazo an’i Méditerranée ny Porte avion Charles De Gaule sy ny hafa, arahina fiaramanidina mpiady, sous-marins, hiaro ny tobim-pahamaharany na bases sy tombotsoany any Jordanie, Abu Dhabi, Qatar, any amin’ny Detrot d’Ormuz,… Rosia sy China naneho fanohanana an’i Iran, raha toa ka Eoropa sy ONU niantso ny fampitsaharana ady (Reuters). Efa milaza i Etazonia fa nivoaka mpandresy !
FIANTRAIKANY ARA-EKONOMIKA
Voasakana tanteraka amin’izao fotoana izao ny Détroit d’Hormuz noho ny fifandonana ara-miaramila sy ara-politika. Iran dia nanambara fa nakatona ny fivezivezena ao amin’ilay lakandrano ary nanamafy fa ny sambo rehetra miezaka mandalo dia ho lasibatra. Efa nisy tanker telo simba sy mpanamory 4 maty tamin’ny fanafihana an’habakabaka sy balafomanga. Miantoka ny 20% amin’ny famatsiana solika eran-tany, 25-30% amin’ny famatsiana gaz natoraly,… ka mampitombo ny risika amin’ny famatsiana any Azia, indrindra i Japon, Korea Atsimo ary China. Ny làlan-tsambo amin’ny ranomasina Indianina voakasika, nahatonga fahatarana sy fiakaran’ny vidin’entana +9% (Lloyd’s Shipping Report). Tao Sri Lanka, ny krizy ara-tsolika sy ny fanafihana an-tsambo dia niteraka fahatapahan’ny famatsiana sy fiakaran’ny vidin’entana ao an-toerana. Ny vidin-tsolika niakatra +18% tao anatin’ny herinandro noho ny risika amin’ny famatsiana avy any Moyen-Orient (Bloomberg). Ny bourse tao Tokyo sy Paris nihena -12%, raha ny dolara (USD) sy EURO naneho fiovaovana lehibe (Financial Times).
TOE-DRAHARAHA ARA-JEOPOLITIKA
Ara-stratejika, Etazonia sy Israël manamafy ny toerany any Moyen-Orient, Iran mitady fiaraha-miasa akaiky amin’i Rosia sy China, ary ny “Axis of Resistance” (Hezbollah, Hamas, Houthi) mety hampitombo fanafihana amin’ny faritra (Middle East Eye). Ny fihetsiky ny Frantsay amin’ny famoahana fitaovam-piadiana dia manamafy ny fidiran’ny Eoropa amin’ny krizy, izay mety hanitatra ny ady ho lasa fifandonana maneran-tany. Mitohy ny risika ara-jeopolitika sy ara-toekarena, ary mety hitarika krizy lavitr’ezaka amin’ny famatsiana sy ny fifandanjana eran-tany. Fotoana hahafahan’ny Firenena tahaka antsika mampiasa ny teti-panorona ara-toekarena izao hoe : ahoana no ahafahana manetsika ireo loharanon-karena samihafa anatiny ? Ahoana no hampihenana sy hanafoanana ny fiankinan-doha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.