Détroit d'Ormuz

Zava-doza ho an'ny toekarena raha tena akaton'i Iran tokoa


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Ho akatonay ny détroit d'Ormuz raha mitetateta manafika an'i Iran ny Amerikana.

Efa nanambara izay ny mpitondra ao Iran; int nandaroka baomba iny ny amerikana koa manahy ny rehetra fa dia hikatona ity lalan'ny sambo ity satria raha ny hita hatreto aloha dia tanterahan'ny Iraniana avoana izay tenenin'izy ireo. Hisy vokadratsy amin'ny fitaterana solika izany, ary mety hisy akony hatraty Madagasikara. Fari-dranomasina eo anelanelan'i Iran sy Oman ary Arabie Saoudite ny détroit d'Ormuz.Io no lalan'ireo sambo avy any amin'ny Golfe pérsique mandalo ny mer d'Oman ary mipaka aty amin'ny ranomasimbe Indiana.20% n'ny solika fampiasan'izao tontolo izao no mandalo eo isan'andro, ary io no lalana tsy maintsy andalovan'ireo sambo mpitatitra solika avy any Arabie Saoudite, Irak, Iran, Koweit, Qatar...Avy any amin'ireo no manafatra solika i Madagasikara ka raha sanatria mikatona io dia ho zava-doza.
HITERAKA KRIZY LEHIBE
Mety hampiakatra 20 ka hatramin'ny 100% ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny fikatonan'ny golf d'Ormuz ary hiitatra any amin'ny olan'ny famatsian-tsolika sy ny krizy ara-toekarena iraisam-pirenena mihitsy aza izany.Raha ho an'i Madagasikara manokana dia hanahirana izany solika hiaka-bidy izany indray satria tsy maintsy hisondrotra izany ny saran-dalana, hisondrotra ny vidin'entana, ho sempotra ny jirama amin'ny fampiodinana ireo milina mpihary herinaratra dia hain'ny rehetra hoe ahoana ny tohiny.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT