Sinoa 9 sy teratany Malagasy 8 no arahi-maso fatratra eny amin’ny Hopitaly CHU Anosiala Ambohidratrimo amin’izao fotoana izao noho ny fahamailoana sy fisorohana ny mety hidiran’ny Coronavirus eto
Madagasikara, araka ny tatitry ny DGSF (Diréction Générale de Fourniture des Soins). Roa no nisy fambaran’aretina, ka ny iray amin’ireo no efa voamarina fa tsy tratry ny Coronavirus, hoy ny DGSR. Ahiana ho izy ve izany ilay iray hafa ? Somary hafahafa sy mampitaintaina ilay endriky ny serasera. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fandraisana an-tanana ireo olona ahiahiana. Ankoatra io, dia raràna manomboka izao ny fahatongavan’ny fiaramanidina avy any Chine maketo Madagasikara, araka ny naoty navoakan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Ireo latsaky ny 14 andro no avy any no tratran’io. Raha tsiahivina ny CHU ao Anosiala, Kaominina Anosiala, Distrikan’ Ambohidratrimo dia hôpitaly lehibe sy anisan'ny hari-fomba indrindra eto Madagasikara. 18 km miala an'Antananarivo, raha mizotra miankandrefana amin'ny lalam-pirenena faha-4 miazo an'i Mahajanga no misy azy.Eny no toerana natokan'ny Fanjakana handraisana an-tanàna ireo olona ahiahiana ho tratry ny aretina "Coronavirus" ity hôpitaly iray ity.
1016 no maty
Hatramin’ny omaly, dia mahatratra 1016 ny maty, ary 42 638 ny mitondra ilay tsimokaretina. Mijanona ho firenena 24 no ahitana azy. Efa tranga faha-13 no hita tany Etazonia omaly, Kanada 7, Alemaina 14 ; Frantsa 11, Singapour 43, Thaïlande 32, Vietnam 13, Corée du Sud 27,… Tany amin’ny taona 1981 no efa nisy boky mitondra ny lohateny hoe “Wuhan 400”, izay naneho fa hisy areti-mandoza mety handripaka olona maro be, ka asa na fifandrifian-javatra fa dinihina lalina io amin’izao. Tao Wuhan no niaingan’ny Coronavirus. Mandeha ihany koa ny adihevitra goavana amin’ny fiheverana fa zavatra amboarina hamelezana ny Sinoa ity conavirus ity, mba hanalefahana ny tanjaka ara-toekarena hanananízy ireo.
Toky R sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.