Eoropa:mihazakazaka ny fiparitahan’ny aretina
Efa mihoatra ny 200 000 nanomboka omaly tolakandro ny olombelona voan’ny Coronvirus amina firenena 156 maneran-tany; 214 010 no voambara fa tratran’ity valan’aretina ity arak any tarehimarika nivoaka omaly 18 martsa tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ora eto
Madagasikara.Ny any eoropa no tena mihazakazaka ny fihanaky ny aretina na dia efa samy nanakatona ny sisin-taniny avokoa aza ireo firenena eoropeanina.Lohalaharana hatrany i Italie ahitana marary miisa 35 713, laharana faharoa i Espagne (13 910), fahatelo i Allemagne (11 973), fahaefatra i Frantsa (9052) ary laharana fahadimy i Suisse (3028).Samy nametraka fepetra henitra amin’ny tsy fahazoana mivezivezy, mivory, nanakatona sekoly sy toeram-piasana maro ireto firenena Eoropeanina ireto izay samy manan-katao raha resaka fiahiana ara-tsosialy sy fitsaboana kanefa tena mitombo hatrany ny olona tratry ny Covid-19.
Firenena hafa voa mafy
Anisan’ny tena voamafy amin’ny valan’aretina ity ihany koa i Iran satria raha ny tarehimarika nivoaka omaly dia 17 361 no voan’ny Coronavirus any an-toerana ary efa nahatratra 1135 no namoy ny ainy.Ho an’i Korea atsimo ihany koa dia ambony ny taham-pahavoazana: 8413 no mitondra ny Covid-19 .Any Etazonia indray izay anisan’ny firenena voalohany nanapaka ny fifandraisany ana habakabaka tamin’izao tontolo izao dia 7323 no voan’ny Coronavirus. Taha azo heverina fa ambany ihany aloha raha oharina amin’ny isan’ny vahoaka Amerikanina ( 327 200 000).Na izany aza anefa dia nampiorohoro ny Amerikanina ny tombatombana navoakan’ny gazety New York Times izay nanambara fa hahatratra 2,2 tapitrisa ny Amerikanina mety ho fatin’ny Coronavirus raha toa ka tsy miroso amin’ny fepetra hentitra kokoa dia ny fanibohana (Mesure de confinement) tahaka ny efa atao any Italie sy Frantsa ny any Etazonia.
Mitondra fanampiana ny Sinoa
Taorian’ny fandefasana mpitsabo tany Italie dia mitohy hatrany ny fanampian’ny Sinoa ny eropeanina hiatrehana ny ady amin’ny Coronavirus Covid-19 ka fiaramanidina goavambe no nigadona tany Liège – Belgique ny alatsinainy teo.Tapim-bava 300 000 isa no nentiny tamin’izany. Narahana teny hoe “l’union fait la force” na “izay mitambatra vato” raha adika amin’ny teny Malagasy.Tsara ho marihana fa olona 1486 no voaporofo fa voan’ny coronavirus any Belgique , 10 no maty raha nisy olona 1 kosa voalaza fa sitrana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.