Any Ivelany

Coronavirus maneran-tany Miomana amin` ny fiatrehana ny andiany faharoa ?


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Tsy mbola milanina ny fiatrehana ny ady amin` ny Covid 19 maneran-tany. Miha ratsy ny toe-draharaha any Etazonia: roa hetsy ireo namoy ny ainy.

 

 Tafiakatra roa tapitrisa ihany koa ireo tranga voamarina tamin` ny herinandro lasa teo raha ny tatitra farany. Inde sy Brésil kosa no manaraka azy akaiky amin` ny antontan`isa. Sina kosa dia nanambara fa voafehiny ny aretina ao aminy ary manambara izany ny fihetsika ataon` ireo mpitantana. Ny filoha Xi Jing-Ping dia nanasongadina sokajin`olona efatra ho mahery fo nandritra ny ady amin` ny “coronavirus”. Ireo mpikaroka dia nomena ny mariboninahitra “Médaille de la République”, izay mari-boninahitra farany ambony any Sina. Any Eoropa kosa dia miomana amin` ny fiparitahan` ny valanaretina andiany faharoa. Any Espagne dia mitady hevitra mba tsy hiverenana amin` ny fihibohana na dia nisy aza ny taha ambony teo amin`ny tranga voamarina ny herinandro lasa teo. Nisy mihitsy faritra no tsy maintsy niverina nihiboka. Any Frantsa dia nametraka paikady vaovao ny fanjakana Frantsay taorian` ny fitomboan` ny isan` ireo namoy ny ainy. Noferana ny ora fisokafan` ireo toeram-pisotroana sy trano fisakafoanana araka ny didim-panjakana nivoaka farany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT