Niakatra izay tsy izy ny maty tao anatin’ny 72ora. Raha 11 147 izany maneran-tany ny zoma teo tamin’ny 10 ora alina, dia 14 376 kosa izany omaly alahady tamin’ny 11ora alina, izany hoe nisy olona maty vaovao 2729.
Tany Italie ny 2071 tamin’ireo satria raha 3405 izy ireo ny zoma teo, dia efa 5476 omaly. Tafiakatra 329 275 ireo mitondra ny tsimokaretina amin’izao fotoana izao, raha toa ka 95 656 kosa efa sitrana.
ESPAGNE : FIDIANA IZAY OLONA MANANA HERIJIKA BEBE KOKOA HO VELONA
Mahatratra 1756 ny maty any Espagne amin’izao fotoana izao, ary izy no firenena faha-3 ahitana maty betsaka indrindra. Hatrany amin’ny 20 000 ny olona marary. Nihazakazaka ny fitomboan’ny olona voa, ka ny zoma sy sabotsy teo ohatra, dia 16,5 ny fitomboany tao anatin’ny 24ora, ary raha 1002 ny zoma teo dia efa io 1756 io omaly, ary tao anatin’ny 24ora, dia 394 no maty. Ny 52% amin’ireo olona voa manome 10542, dia nampidirina hopitaly avokoa, ka any amin’ny fameloman’aina (en reanimation) ny 1141. Henjana ny toe-draharaha, ka mifidy ireo olona manana herijika bebe kokoa amin’ny hahavelomany. Hentitra ny fepetra amin’ny tsy fahafahana mivoaka (confinement). Miditra an-tsehatra ny miaramila amin’ny fitaterana ireo olona tratry ny coronavirus. I Madrid Renivohitra no ahitana tranga betsaka indrindra izay manome ny 36%.
NOSY MAORISY: TAFIAKA 2 NO MATY COVID-19
Tafiakatra 2 no maty, ary niampy 4 ireo olona voan’ny valanaretina Covid-19 na coronavirus atsy amin’ny nosy Maorisy. Tantsambo avokoa izy efatra ireo, miasa amin’ireny sambobe mpitondra mpizahatany ireny. Tafakatra 17 ireo olona voamarina fa voan’ny Covid-19 atsy amin’ny nosy rahavavy ity tamin’ireo fitiliana miisa 348 natao, araka ny nambaran’ny « National Communication Committee », omaly alahady 22 marsa 2020. Nohamafisin’ny fitondram-panjakana ny fepetra hisorohana ny fihanak’ity valanaretina Covid-19 ity ao Maorisy, ka ankoatra ny fijanonana any an-trano dia ny alatsinainy hatramin’ny zoma ihany no misokatra ireo toeram-pivarotana lehibe na « supermarché », ary anelanelan’ny amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 3ora tolakandro, ora any an-toerana no mivoha ho an’ny mpanjifa.
CHINE: NIKATONA NY HOPITALY FANDRAISANA IREO MARARY
Faharoa amin’ny isan’ny maty be indrindra i Chine izay 3144 no maty hatreto, izay tsy mihetsika be intsony. Nanidy ny hopitaly farany nisahana ny Coronavirus I Chine. Tsy dia misy tranga vaovao firy intsony horaisina an-tànana. Ramatoa lehibe 103 taona tafavoaka velona tamin’ny COVID-19 rehefa notsaboina nandritra 6 andro tao Wuhan, any Chine. Mamerina manokatra ireo mangazainy miisa 42 any Chine ny orinasa Apple.
MIKETRIKA MAFY NY MPIKAROKA HIVOAHAN’NY FANEFITRA
Nahomby ihany koa ry zareo Indianina. Misy fanafody maromaro nampiasain’izy ireo: opinavir, Retonovir, Oseltamivir ary Chlorphénamine. Nanao tolo-kevitra hampiasana ireo fanafody ireo maneran-tany ny Indianina. Nilaza ny mpikaroka eo anivon’ny Centre médical Erasmus fa nahita ny hery fiarovana na « anticorps » hiadiana amin’ny coronavirus. Ny Cleveland Clinic any Etazonia, dia manatanteraka ny andrana ara-panafody momba ny COVID-19, ary nilaza omaly fa hanome ny vokatra afaka ora vitsy. Ny orinasa momba “biotechonologie” any San Diego any California ihany koa dia mihatsara ny fikarohana iarahana amin’ny Université Duke any Singapour.Ireo siantifika Israelianina ihany koa dia milaza fa misy fivoarany be ny fikarohana nataon’izy ireo.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.