Any Ivelany

Coronavirus any Sina Tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena eto Madagasikara


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy akony amin’ny toekarena eto Madagasikara ny aretina coronavirus, hoy ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara,

 

 

 Henri Rabarijohn nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety tamin’ny fambolen-kazo tamin’ny sabotsy lasa teo. Firenena matanjaka ara-barotra i Sina ary misy fifandraisana amin’i Madagasikara amin’ny alalan’ny sehatra fanondranana sy fanafarana ka izany no tsy maintsy hisian’ny akony amin’ny toekarem-pirenena. Na izany aza dia efa miomana ny Banky Foibe ny amin’izay tranga rehetra tsy hahamarin-toerana ny Ariary indrindra ny amin’ny ho mety fiantraikan’ity areti-mandripaka avy any Sina ity. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa maro ireo sehatra efa voakasika sy mitotongana, indrindra ny amin’ireo firenena rehetra mifandray amin’i Sina ary tsy azo ihodivirana ny akon’izany amin’ny ara-toekarena eto Madagasikara.

Ilaina ny fikajiana ny tontolo iainana

Ankoatra ny areti-malaza Coronavirus dia nihena 80% ny faritra rakotr’ala eto Madagasikara izay hita tamin’ny alalan’ny fampiasana zana-bolana. Tsy maintsy atao ny fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana, hoy ny Governora ary tsy tokony hatao fahazarana fotsiny izany fa ezahana ny hampaniriana ireny ho tombotsoan’ny firenena. Ny kaominina Anjeva Gara ihany no nofidiana efa hatramin’ny taona 2017 ka hatramizao noho ny toerana tena mbola malalaka sady ahafahana manaramaso ireo asa fambolen-kazo efa natao hatramizay. Tamin’ity farany ity dia zanakazo miisa 5000 fototra indray no natsatoka teny ary nadritra ny fanaraha-maso natao no nahitana fa ny 95%-n’ny hazo nambolena taloha dia maniry avokoa. Ankoatr’izany rehetra izany dia nanambara ny governora fa tsy maintsy hisy ihany koa ny fampitaovana ny fokontany sy ny kaominina mba haharaka ny teknolojia ary eo ihany koa ny hanatsarana ny lakan-drano hanondrahana ny tanimboly sy ny tanimbary  

Tsirinasolo

 

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT