Any Ivelany

Carrozza Heliarisoa Miantso ny fanjakana hampody ireo Malagasy any Arabia Saodita


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Ny fikambanana “Zanak`i Gasikara” (AZIG) izay tarihan` i Carrozza Heliarisoa, dia misehatra indrindra amin`ny fanampiana sy fampodiana ireo Malagasy

 

 

tavela any Eoropa sy any amin`ireo tany arabo izay asa efa nandriaketany nandritra ny dimy taona nijoroany. Raha fintinina ny asan` ny AZIG tamin` ity taona 2020 ity, dia nifantoka tamin` ny ady amin` ny COVID-19 indrindra tamin` ny fampodiana ireo Malagasy nihitsoka tamin`ireo firenena samihafa noho ny fepetra ara-pahasalamana. Nanelanelana ny fanamorana ny fampodiana azy ireo i Carrozza Heliarisoa toy ny tany Frantsa sy Inde. Ankoatra izay, imasoan` ny fikambanana ny ady amin`ny fiarovana ny zon` ny teratany vahiny mila ravinahitra sy ny herisetra ara-piaharamonina sy ara-tsosialy mianjady azy ireny. Any amin`ireo firenena arabo (Liban, Arabie Saoudite, Koweit, Jordanie…) moa no tena handrenesana fitarainana maro. An`arivony rahateo ny Malagasy mbola miasa any indrindra ireo vehivavy. Misy mihitsy no nampidirina am-ponja toa an` Arabia Saoudite. Ho an`ity farany ity dia efa nanambara ny minisiteran` ny Asam-panjakana, ny fampananan`asa, ny lalàna sosialy (MEFPTLS) fa hampody an`ireo Malagasy mihitsoka any. Manoloana izany dia manao antso avo amin`ny fanjakana i Carrozza Heliarisoa mba hanafaingana izany satria manodidina ny 300 isa izy ireo mihitsoka ao amin`ity firenena ity. Ankoatra izay, hametraka fanamby ny AZIG ho amin`ny dimy taona manaraka fa hanatsarana ny fiaraha-miasa amin`ireo mpiara miombon`antoka samihafa sy hanatsara ny fari-piainanan`ireo Malagasy mipetraka any ivelany. Manomboka izao, ny Malagasy mila ravinahitra any ivelanydia afaka misitraka fiarovana akaiky amin`ireo sehatra samihafa. Hanitatra ny sehatrasa eo amin`ny lafin`ny ara-toekarena ihany koa ny fikambanana ho amin`ny dimy taona manaraka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT