Any Ivelany

Burundi Noroahana ny solontenan’ny OMS


  • Zoma 15 Mey 2020

Nisaoran’ny fitondram-panjakana burundey mba tsy hilazana hoe noroahany tao amin’ity firenena afrikanina ity ireo solontenan’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS ao an-toerana.

 

 

 

 

Tsy tokony mbola hisy tamingan’izy ireo intsony ao an-toerana, raha ny fampilazana avy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ao an-toerana ny 12 mey teo. Tsy ny Dr Walter Kazadi Mulombo, izay mitarika izay solontena izay ihany, araka izany, no ao anatin’izay nomarihan’izy ireo fa “persona non grata” na olona tsy ankasitrahana ny fijanonany izay fa hatramin’ireo manam-pahaizana manokana na “expert” miisa 3 ihany koa. Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao moa ny hoe misy dian-tanan’ny amerikanina, izay firenen-dehibe nitroatra voalohany tamin’ny OMS ve ny fahasahian’ireo firenena afrikanina maromaro mizotra amin’ny fitsipahana ny fanapahan-kevitry ny OMS ihany koa ankehitriny sa tena fahatsapan’ny Afrikanina kosa fa tompom-baolina izy ireo ao anatin’izao ady amin’ny COVID 19 satria dia vitsy lavitra, raha mitaha amin’ny an’ireo firenen-dehibe aloha hatreto ireo matin’ity aretina ity aty Afrika?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT