Any Ivelany

Burundi Nijanona tampoka ny fon’ny filoham-pirenena


  • Alarobia 10 Jona 2020

Namoy ny ainy teo amin'ny faha 55 taonany ny alatsinainy tolakandro teo ny Filoham-pirenen'i Burundi, Pierre Nkurunziza, izay efa nitondra hatramin'ny taona 2005.

 

 

 

 Eo am-piomanana amin'ny famindrana fahefana amin'i Evariste Ndayishimiye, filoha voafidy ny volana mey 2020 teo, izy no tsy salama tampoka ka izao namoy ny ainy izao, raha ny fampitam-baovao.Mbola nanatrika lalao volley ball tany amin’ny tanànan’i Ngozi izy ny sabotsy teo ka taorian’izay no nisy tsy fetezana tampoka ny fahasalamana ka naiditra hopitaly tany Karuzi (afovoany atsinanan’i Burundi).Afaka niresaka tsara tamin’ireo olona akaiky azy ny filoha Nkurunziza ny alahady, raha ny fampitam-baovao ofisialy.Nahagaga anefa fa niha osa tampoka ny filoha ny alatsinainy, nanao krizy, sy nahatsiaro tena..navotana saingy tsy tana intsony ny ainy.Misy loharanom-baovao avy eo anivon’ny mpitsabo any an-toerana no milaza fa ahiana ho voan’ny Coronavirus ny Pierre Nkurunziza.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT