Any Ivelany

Brezila Tsy maintsy miditra am-ponja ny filoha Lula


  • Zoma 06 Aprily 2018

Fito taona taorian’ny nialany teo amin’ny fitantanana an’i Brezila dia mivoha midanadana ho an’i Luiz Inacio Lula da Silva ny varavaran’ny fonja noho ny didim-pitsarana manameloka azy 12 taona an-tranomaizina noho ny kolikoly sy famotsiam-bola.

 Omaly alakamisy no nanapaka ny fitsarana tampony fa tsy maintsy miditra am-ponja izy na dia mbola afaka manohy miaro tena ihany aza. Mpitsara 6 amin’ireo 11 mandrafitra ny fitsarana tampony no nilaza fa tsy azo omena fahafahana ny filoha Lula fa tsy maintsy ampidirina am-ponja. Izy anefa hatreto no tsara toerana indrindra amin’ireo kandida mpifaninana ho filoham-pirenena, fifidianana izay hotanterahana any Brezila amin’ny volana oktobra ho avy izao. Hampizara tanteraka ny Brezilianina ity raharaha Luiz Inacio Lula da Silva ity.

Sierra Leone

Nandresy tamin’ny fifidianana ny mpanohitra

51,81% no vato azon’i Julius Mada Bio, lehiben’ny mpanohitra koa dia izy izany no lasa filoha hitantana an’i Sierra Leone indray manomboka eto. Resy i Samura Kamara kandidan’ny antokon’ny fitondrana nahazo ny 48,19%-n’ny vato manan-kery. Fiovana lehibe ho an’ity firenena any andrefan’i Afrika ity izao satria 10 taona no nanjaka tao ny antoko ACP no izao resin’ny SLPP an’i Julius Mada Bio izao. Miaramila fahiny ity farany ary efa nitantana ny tetezamita ny taona 1996  taorian’ny fanonganam-panjakana. Nisy ihany anefa ny herisetra tany an-toerana nahafatesana sy naharatrana olona ary niteraka fahasimban-javatra noho ny voka-pifidianana. Tsy mbola tafavoaka ny ala anefa ny filoha vaovao satria tsy manana ny maro an’isa eo anivon’ny parlemanta.

PSG

Hahazo mpanazatra vaovao

Efa mahoraka any Frantsa sy any Alemaina araka ny fitateran’ireo gazety vahiny azy ankehitriny fa ilay teratany Alemana Thomas Tuchel, 44 taona indray no mety ho lasa mpanazatra  ny PSG, satria mifarana amin’ny volana jona ho avy izao ny fifanaraham-piaraha-miasan’ity klioba ity amin’i Unai Emery.Voalaza fa izay no fanirian’ny mpanjakan’i Qatar  izay tompon’ny Paris Saint Germain, raha toa ka somary mitongilana haka an’i Conte mpanazatran’i Chelsea amin’izao fotoana ny filohan’ny PSG Nasser Al-Khelaïfi. Izay ihany aloha ny sombim-baovao nivoaka ary tsy mbola fantatra ny vola mihodina amin’ity resaka ity sy ny mety ho faharetan’ny fifanaraham-piaraha-miasa. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT