Any Ivelany

BAOLINA KITRA NODIMANDRY TEO AMIN’NY 60 TAONANY I MARADONA


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Nodimandry tampoka omaly 25 novambra teo amin’ny faha-60 taonany I Diego

 

Armando Maradona, ilay kintan’ny baolina kitra Argentin. Isan’ny tena nahafantarana azy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny taona 1986 tany Méxique, izay nobatain’I Argentine amboara. Nitondra ny laharana 10 izy tao anatin’ny ekipam-pirenena, ary manamarika ny tantaran’ny baolina kitra maneran-tany ny fahaizany. Fijanonan’ny fo tampoka na “Arrêt cardio-réspiratoire” no voalaza fa nahafaty azy. Ny 02 novambra dia naiditra hopitaly tany Bueno Aires izy, nodidiana ny lohany, ary efa niha salama sy nivoaka ny toeram-pitsaboana, kinanjo io nodimandry io. Marihina fa ny 30 oktobra teo no nankalaza ny faha-60 taonany I Maradona. Isan’ny klioba efa nilalaovany ny Boca juniors, Barcelone, Seville, Napoli,… Efa nanazatra ny Albiceleste ekipam-pirenena Argentin ihany koa izy. Tsy maty ao am-pon’ny mpitia kitra I Maradona, ka “legend never die”, hoy ny fifankaherezana. Namoaka didim-panjakana manambara fisaonana 3 andro ny Fanjakana Argentin.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT