Any Ivelany

Banky Iraisam-pirenena « Tsy mamatsy ara-bola ny tetikasa MIAMI izahay… »


  • Talata 25 Oktobra 2022

Nanamafy ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy mandray anjara amin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa MIAMI atao ao Toliarana na koa amin’ny faritra hafa. Momba ny tetikasa PIC (Pôle Intégrée de Croissance)

izay miompana amin’ny tontolon’ny fizahantany kosa, mieritreritra hamatsy fanajariana toerana an-tanàn-dehiba miisa roa ny Banky Iraisam-pirenena dia ny Corniche any Antsiranana syy ny Waterfront any Toliara, ary nomarihiny fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny tetikasa MIAMI an’ny governemanta. Na izany aza, naneho fa miara-miasa akaiky amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ny Banky iraisam-pirenena sy ny tetikasa PIC amin’ireo tetikasam-panajariana izay misy hidirany. Somary hafahafa ihany ity fanambarana sy fanazavana entin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Tsy tongatonga ho azy, ka mampametra-panontaniana hoe: nisy fisandohana na fampiasana ny anarany tamin’ny tetikasa MIAMI ve? Sa kosa tsy resy lahatra amin’izany, ary miezaka manavaka tsara fa ny tetikasa PIC izay tohanan’izy ireo dia misy tanjona fa tsy politikan’ny maso sy ny haitraitra fotsiny? Ho avy ny fampahafantarana ofisialy ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay inoana fa hanehoana tetikasa sy makety samihafa indray. Isan’ny hitondra anjara biriky amin’ny fanatanterahana izany ve ny Banky Iraisam-pirenena sa ho mpitazatazana eny an-tsisin-tosy fotsiny? Sa holazaina fa anatin’ny PEM daholo ny tetikasa rehetra mandeha aorian’io? Hanohana ny PEM ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) sa hialany ilany tahaka ny efa nataony tamin’ny 15 febroary 2021 io PEM io ka nilazan’ny Praiminisitra avy eo fa ny PMDU (Plan multisectoriel d’urgence) aloha no ampiharina hatramin’ny jona 2021, ary mitohy amin’ny PEM avy eo. Ilay PEM anefa io vao hampahafantarina io indray. Midika izany fa tsy nisy fitantanana tena nirindra, ary tsy atao mahagaga raha nitsefotra ny tetikasa sy progarama maro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT