Any Ivelany

« Ballon d’or Africain 2019 » Nobatain’i Sadio Mane


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Voahosotra ho mpilalao baolina kitra mendrika indrindra aty Afrika ho an’ny taona 2019 ilay teratany Sénégalais Sadio Mane, araka ny valin’ny « CAF Awards 2019 »

 

 

 nofaranana tamin’ny alalan’ny lanonana manetriketrika  teo ambany fiahian’ireo oloben’ny baolina eto ambonin’ny tany omaly tany Hurghada Egipta, izay tanàna raitra manamorona ny ranomasina mena. Nifaninana taminy tamin’izany moa ilay Ejiptianina Mohamed Salah mpiara-milalao aminy ao amin’ny Klioba Anglisy Liverpool sy ilay Alzerianina Riyad Mahrez, milalao ao amin’ny Manchester City, izay efa nahazo ity amboara nobatain’i Mane ity ny taona 2016, raha toa ka i Salah ny taona 2017 sy 2018. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy izay iray tamin’ireo telo nifaninana farany tao amin’ny sokajy "équipe nationale masculine de l'année" nisy an’i Algérie-Sénégal-Madagasikara. Ny ekipam-pirenena Alzerianina izay tompondakan’i Afrika farany no nibata ny amboara ho an’ny ekipam-pirenena lehilahy, raha toa ka ry zareo Camérounais kosa ho an’ny vehivavy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT