Any Ivelany

Asa fampirohorona any MALI Maro no mifindra monina…


  • Zoma 21 Jona 2019

Efa sesilany ny fanafihana ataon` ireo vondrona djihadiste any Mali. Mihorohoro ny firenena satria tafiakatra 41 ireo olona namoy ny ainy, raha ny tatitra navoakan` ny Firenena Mikambana omaly maraina.

 Tao Gangafani sy Yoro no nitrangan’ izany fanafihana izany ny alatsinainy lasa teo, ary fantatra fa mpikambana ao amin’ny foko “Dogon” avokoa ny ankamaroan’ireo niharamboina tamin’izany. An-jatony kosa no fantatra fa isan’ ireo nanafika tamin’izany. Nanapahan-kevitra ny governemanta any an-toerana fa hampitomboina ireo tafika mba hanampiana ireo olona niharam-boina. Raha ny tatitra nataon` ny Firenena Mikambana dia olona 750 no fantatra fa nandao ireo tanàna ireo ka nifindra any Dinagourou mpifanolo-bodirindrina aminy. Misy ihany koa no nifindra monina any Burkina Faso.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT