Asa fampihirohoroana tany Rosia

Tafakatra 137 ny maty, 150 ny naratra


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Nisehoana asa fampihorohoroana goavana tany Moscou renivohitra Rosianina ny zoma lasa teo.

Notafihin’ny mpampihorohoro ny toeram-pilanonana lehibe, ary nisy firehetana goavana. Tafakatra 137 ny olona namoy ny ainy, ary 150 ny naratra, raha ny tatitra hatramin’ny omaly alahady. Io ny asa fampihorohoroana nahery vaika sy nahafatesana olona betsaka indrindra tany Russie tao anatin’ny 20 taona. Ny Vondron’ny Fanjakana Islamika no nitonona ho tompon’antoka, raha toa ka miampanga mafy an’I Ukraine ho ao ambadik’izao kosa ny Fanjakana Rosianina tarihin’ny Filohany Vladimir Poutine, izay vao avy voafidy ho Filoham-pirenena tamin’ny isam-bato 87% teo ho eo. Tafakatra 11 kosa ireo voasambotra tamin’izany. Misy dikany lehibe eo amin’ny tontolo ara-jeopolitika maneran-tany, ary misy mandika ho efa famelezana sy fipoahana ao Rosia avy ao anatiny. Anisan’ny nandefa taratasy fiaraha-miory manoloana io moa ny Fanjakana Malagasy tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Nambara fa miray fo amin’I Rosia I Madagasikara, ary manameloka tanteraka ny zava-nitranga, izay nosokajiana ho asa fampihorohoroana namelezana ny sivily tsy manan-tsiny, ka heloka bevava ambodiomby manitsakitsaka sy manohintohina ny filaminana sy ny fandriampahalemana iraisam-pirenena. Nilaza mihitsy moa Atoa Andry Rajoelina tao anatin’ny tambajotra Tweeter, fa miombom-po sy mivavaka ho an’I Rosia. Naneho ny fanamafisana ny firaisankinan’I Madagasikara sy Rosia tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham- bahiny. Tao anatin’ny taratasin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ihany koa dia notsipihina ny finiavan’I Madagasikara hitondra anjara biriky eo amin’ny ezaka iraisam-pirenena mikendry ny hisorohana ny asa fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra. Zava-dehibe izany ary tena mafonja tokoa ny fanambarana, fa ny hirariana dia ho tahaka izany ihany koa amin’ny fijoroana tena hitondra fampandrosoana sy hiady amin’ny fahantrana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT