Any Ivelany

Aretina Coronavirus Mitombo ny fatiantoka, nidina 8% ny tsenam-bola any Sina


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Mety hanahirana ny Sinoa ny hanarina ny rafitra ara-bolany aorian’izao aretina Coronavirus mahazo ny fireneny izao. Midina hatramin’ny 8% ny tsenam-bola amin’izao,

 izay tsy nisy tahaka izany nandritra ny 5 taona lasa. Hisy akony ratsy amin’ny toekarena manontolo izany. Tsy voatery i Sina ireny no lasibatra fa ireo firenena rehetra mifandray aminy. Raha tsiahivina dia efa fatiantoka maro be no mahazo an’i Sina amina sehatra maro ankehitriny ary efa maherin’ny 130 miliara Euro ny fatiantoka. Efa nisy ny fanentsenana nataon’ny banky foibe sinoa tamin’izany ary mahatratra hatramin’ny 173 Miliara dolara ankehitriny. Ahiana ny fitotongan’ny toekarena sinoa raha mitohy izao satria tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny sehatra fandraharahana sy ny fampindramam-bola. Etsy an-daniny, nidina tany amin’ny farany ambany, hatramin’ny 10% ny takalon’ireo actions izay mahakasika titra 3500 be izao. Ankoatr’izay dia efa mihozongozona ihany koa ireo kaompania lehibe amin’ny fiantohana any an-toerana miampy ny fitotongan’ireo orinasa mpisehatra amin’ny fanondranana. Hatreto aloha dia tsy mbola niantso fanampiana i Sina ary miezaka ny mahavita tena ary tsy hitrosa mihitsy. Mahazo bahana ireo firenena mifaninana aminy ankehitriny ary misongadina ny amerikanina izay mampiasa vola be amin’ny fandraharahana amin’izao. Nihanahazo hery ihany koa ireo firenena efa nanankarena mpifaninana amin’i Sina, indrindra amin’ny sehatra ara-barotra. Tsikaritra fa efa maro be ny andraikitra noraisin’ny fitondram-panjakana sinoa saingy ezaka ny ho fanatsarana sy ho fampiakarana io tsenam-bola io ary tsy hitaredredra ihany koa ny amerikanina manararaotra izao toe-java-mitranga izao. Mbola baraingo ny ho tohiny ary ahiana ny fisondrotam-bidim-piainana, indrindra ho an’ireo firenena mpiara-miasa akaiky amin’i Sina.

Tsirinasolo

   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT