Any Ivelany

Arabia Saodita Nanome 2 miliara dolara ny Banky foiben’i Yemen


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Noho ny antso avo nataon’ny filoham-pirenena sy praiminisitra Yemenita ary ny fitotonganan’ny vola riyal any Yemen dia nandrotsaka vola mitentina 2 miliara dolara mahery ao amin’ny Banky foiben’i Yemen ny fanjakana Saodianina. Natao izao fanapahan-kevitra izao noho ny fanohizana ny fanohanan'ny fanjakana Saodianina ireo vahoaka Yemenita, hoy ny fanambarana ofisialy nivoaka tany Riyadh

 

Catalogne

I Roger Torrent no filohan’ny parlemanta

Vita omaly ny fifidianana ho filohan’ny parlemanta tany Catalogne. I Roger Torrent antokon’ny « Indépendantiste » na ireo mitaky ny fahaleovantenan’i Catalogne no lany teo amin’ny isam-bato 65 tamin’ny fihodinana faha-2 raha 56 kosa ny vato azon’ny “anti-indépendantiste”. Izy no filohan’ny parlemanta zandriny indrindra satria vao 38 taona ary solombavambahoaka nanomboka ny taona 2015.

Jihadista voasambotry ny Kiorda

Ho tsaraina any Syria

Nilaza ny fitondrana frantsay fa ny manampahefana any Syria no hitsara ireo olona voasambotra tany, ary any ihany no tsaraina. Manoloana izany dia nanambara ny mpisolovavan’ireo zaza amam-behivavy jihadista voasambotry ny tafika Kiorda tany Syria ny alarobia teo fa hametraka fitoriana an’ireo manampahefana frantsay, noho ny tsy fananan’ny  Syrianina rafitra sy fiandrianana ara-dalàna. Ireto vehivavy sy ankizy voatazona ireto dia tsy manana zo na ny anaram-boninahitra

Notre-Dame-des-Landes –Frantsa

Hajanona ny fanorenana ilay seranam-piaramanidina

Taorian'ny enim-bolana nisian’ny fanelanelanana sy fanadihadiana ary ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambony sy ny fitsapan-kevi-bahoaka izay nankasitraka ny fananganana ny seranam-piaramanidina iray any Notre-Dame-des-Landes dia namoaka fanambarana omaly ny praiminisitra Frantsay Édouard Philippe fa hajanona aloha ilay tetikasa

 

Lalao olimpika amin’ny ririnina

Handefa “Pom Pom Girl” 230 isa i Korea avaratra

 Handefa delegasiona miisa 550 any Korea atsimo ny Korea Avaratra, ka ny 230 amin’ireo dia “pom pom girl”. Amin’ity lalao ity dia hitambatra iray ny Korea atsimo sy avaratra ary faneva iray no hoentiny mandritra ny fanokafana ny lalao Olimpika amin’ny andro ririnina ity, izay tanterahina ny 9 febroary izao any Korea atsimo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT