Any Ivelany

Antoko politika eo amin’ny fitondrana Tsy mbola mahazo tsara ny toerany ny vehivavy


  • Talata 03 Novambra 2020

Nandritra ny fifidianana loholona ny taona 2015 dia miisa 30 ireo antoko politika sy ireo tsy miankina nanolotra kandida tamin’ny alalan’ireo lisitra miisa 52, raha ny fanadihadiana nataon’ny ivon-toerana Safidy.

 

 

 

Antoko politika miisa 4 tamin’izany no nanolotra kandidà teo anivon’ny faritany miisa 6, ny 2 hafa nandray anjara teo anivon’ny faritany 2. Kandidà 6 raha kely indrindra no nirotsaka isaky ny faritany. Raha ny fifidianana loholona 2020 kosa no jerena dia fantatra izao fa miisa 14 no lisitra kandidà avy amin’ny antoko politika sy tsy miankina 8. Antoko politika iray monja no nahavita nanolotra kandidà teo anivon’ny faritany rehetra. Ary amin’ity indray mitoraka ity dia manodidina ny 1 hatramin’ny 3 no lisitry ny kandidà isaky ny faritany. Misongadina ny filatsahan’ny kandidà avy amin’ny antoko politika akaiky ny fitondrana satria ny 57%n’ireo kandidà dia avy amin’ny antoko politika akaiky ny fitondrana. Ireo antoko mpanohitra dia tsy nandray anjara ka anisan’izany ireo loholona farany teo. Izany dia mety hanohintohina ny fifandanjan-kery eo anivon’ny antenimieran-doholona, hoy hatrany ity fiarahamonim-pirenena ity. Ambany ny taha-pandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fifidianana loholona satria 20, 83%n’ireo kandida izany. Manambara io fa tsy mbola manan- danja ny vehivavy amin’ny antoko politika toy ny eo amin’ny fitondrana, ary ambany dia ambany ny fahafahan’ny vehivavy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ara-politika, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT