Any Ivelany

Antanimora Voafonja 114 tsy maintsy hatao fitiliana


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Voafonja 114 no indray hatao fitiliana iadiana amin’ny tsimok’aretina coronavirus ao amin’ny fonjaben’Antanimora.

 

 

 

 

Ny 24 mianadahy amin’izy ireo no efa vita soa aman-tsara ary nisantarana izany ny faran’ny herinandro teo ka anisan’izany ireo voafonja mbola tsy voatsara sy efa voaheloka nampidirina eny an-toerana taorian’ny 23 martsa lasa teo. Ny Brigade d’Intervention Spéciale etsy Analakely sy ny Institut Pasteur de Madagascar no nanao ny fitiliana taorian’ny fihibohana notanterahin’izy ireo nandritra 15 andro teny amin’ny Fonjaben’Antanimora ihany. Anio Alatsinainy moa no ho fantatra ny vokatr’izay fitiliana natao izay hahafahana mandray ireo karazana fepetra rehetra. Tsiahivina moa fa anisan’ny toerana be olona ka mora hifindran’ny tsimok’aretina coronavirus indrindra ny fonja, antony nanosika ireo tompon’andraikitra hiroso amin’izao fanaovana fitiliana izao. Miisa 20000 ireo voafonja manerana ny Nosy ankehitriny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT