Any Ivelany

Antananarivo renivohitra Miha mora tondraky ny orana sy erikerika madinika hatrany


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Hiampitana lakana vao afaka ny lalana mifanandrify ny tobin-tsolika tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny tolakandron’ny sabotsy teo,

tokony ho nanodidina ny tany amin’ny 3 ora latsaka fahefany tany ho any. Miha mora tondraky ny orana sy erikerika madinidinika hatrany I Antananarivo renivohitra. Hatramin’iny manodidina an’Anosy iny aza ankehitriny efa ahitana izany ary dia io voaporofo ny sabotsy teo io indray. Aiza ihany ilay hoe fiaraha-miasa akaikin’ny kaominina renivohitr’Antananarivo sy ny fitondrana foibe izay nodradraina fatratra tamin’ny fampielezan-kevitra hoe efa mitovy loko? Tsy misy afa-tsy fandraisan’andraikitra vonjy tavan’andro, araka ilay hamaritan’ny mpanao politika sasany azy, toy ny fanalana ny rano miandrona tetsy An-dohan’Analakely tamin’ny alalan’ny sio ve? Amin’io koa rehefa mamaivay ny tsikeran’ny mpanara-baovao ao anaty tambazotran-tserasera vao hita ho miseho ireny fandraisan’andraikitra ireny ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT